Edito

Tsy manaiky mihitsy


  • Talata 11 Aogositra 2015

Manohy hatrany ny politikam-panjanahany izay navadika hoe diplaomasia ekonomika ny Frantsay.


 Ady amin'ny asa fampihorohoroana no nentiny nampidirana miaramila tany Mali, Niger, Tchad, Centrafrique sy nametrahana tobim-pamaharana. Fiaraha-miasa, fifampizarana traikefa, fampiofanana kosa amin'ny alalan'ny sarinady no idiran'ny tafika frantsay eto Madagasikara. Iny eo ihany fa tena mbola miaro mafy ny tombontsoany ara-toekarena eto ry zareo. Manodidina ny 700 latsaka kely ny orinasa frantsay eto ary izy ireo no mifehy ny banky sy ny solika. Mampiasa ny olony hiaro ny tombontsoany ny mpanjanatany ka tokony ho mailo ny rehetra fa mandady ny trambo ary mikasa handrapaka ireo orinasam-panjakana sahirana tahaka ny Jirama sy Air Madagascar ny Frantsay ka mampiasa izao paikady rehetra izao. Malaza amin'ny politikan'ny fitsetsefana ny Frantsay fa tsy mba tahaka ny firenen-dehibe hafa tahaka an'i Etazonia, Alemaina, Grande Bretagne, Rosia ary Chine, izay mametraka ilay endri-piaraha-miasa “win-win” na hoe samy mahazo tombontsoa. Azo hanaporofoana izany ny fahantran'ireo zanatany frantsay fahiny raha toa ka mba metimety na manankarena mihitsy aza ny zanatany Anglisy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT