Tsy vao omaly na tamin’ity herinandro ity fa efa hatramin’ny niverenany an-tanindrazana ny volana oktobra 2014 no nampitandrina ireo mpanambola, na malagasy io na vahiny manao fanaparam-pahefana sy manao toetra tsy zaka eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Ho an’ireo izay mahafantatra tsara azy dia resy lahatra fa tsy teny manidina fotsiny ireny fa misy dikany lehibe, ary hikaroka ny fomba rehetra hiarovana ny Malagasy sy ny fananany ary ny taniny izy. Izay io zavatra ataony ankehitriny io amin’ny alalan’ny fikarohana ny marina sy fifampiresahana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana mba hikarohana ny vahaolana. Tsy neken’i Marc Ravalomanana ary sy hoekeny mandrakizay ny fanjakazakan’ireo vahiny mihevitra azy ireo fa manana ny vola sy ny fahefana eto Madagasikara. Zovy no tsy mahalala fa natahotra fadiranovana an’ity filoha teo aloha ity ireo Karana sy Sinoa ka izay no nahatonga ny sasany tamin’izy ireo nanohana ara-bola ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 mba handrodanana ilay sahy nijoro nanohitra azy ireo. Tafaverina eto an-tanindrazana i Dada ankehitriny ary tsy hanaiky moramora io fanjakazakana io. Tsy voatery eo amin’ny fitondrana na manampahefana vao afaka miaro ny mpiray tanindrazana sy manasoa ny firenena, hoy i Dadavalo ary io porofoiny io izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.