Tsy maka lesona

Miverina hatrany ny olana sy krizy ara-politika rehefa akaiky fifidianana,


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

ary matetika toa ialohavana romoromo sy gidragidra hatrany ny fivam-pitantana eto Madagasikara.

Matetika izay mpitondra mahazo faka sy mahazo tsirony eo amin’ilay fitondrana mihevitra ny tenany ho amperora ka mety avokoa izay ataony, tsy maintsy arahina amin’ny sitrapony na efa manao hadalana izao, lasa mihevi-tena ho matanjaka sy tsy refesi-mandidy,… Izany hatrany no sary mitranga ary io mbola miharihary ankehitriny iny. Fa tena tsy mba nahay naka lesona tamin’ny tantara mihitsy ve? Firifiry izay nilaza fa mafy teto izay fa inona no niafarany sa hafa raha samy hafa ity ka mieritreritra ny tsy ho tratry ny aloka na tena zava-doza avo roa na telo heny tamin’izay efa niseho hatrizay aza ny fiheveren-tena ho tsy maty manota sy tsy ho tratry ny aloka? Aza na manao ririn-dasa tsy tsaroana fa ny nanonganana ny mpitantana tany aloha anie, ka efa tafahoatra an’izany no miseho amin’izao. Mby aiza ny demokrasia nodradradradraina 15 taona latsaka izay? Adino ve fa navela nalalaka hatramin’ny filanjana vatam-paty nametavetana filoha teo aloha anie 5 taona lasa rehefa nisy ny hetsika nanoherana ny ahiahina tetika maloto ara-pifidianana e!? Izao na fanehoan-kevitra ilazana ny tsy mety aza lazaina fa fanakorontanana, eny fa hatramin’ireo Raiamandreny am-panahy aza hampangain’ny sasany ho manakorontana ny efa milamina. Ny tsy fananana fanetren-tena sy finiavana hikaro-bahaolana moa dia efa mitady ho fihetsika raiki-tampisaka satria toa fady izany hiaiky ny tsy mety izany, fady izany hanana toe-tsaina handefitra izany na efa zary lasa voasokajy ho olana sy mpanao takalon’aina sy firenena aza,… Enga anie mba ho ny hamisavisana ny ratsy tokoa hiavian’ny soa, fa efa maro anie no milaza fa tena ho ratsy noho izay rehetra efa nisy hatramin’izay no hialan’ireo mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka eo, raha tsy mitandrina e! Ny tantara no hitsara, fa ny azo antoka aloha dia tsy hisy fiadanana sy fahasambarana hiorina maharitra eo ambany tsy fahamarinana sy alahelon’ny vahoaka sy ny firenena izany!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT