Edito

Tsy maintsy tafita ny tolona


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2012

Mino sy manantena hatrany ny Zanak’i Dada fa tsy maintsy tafaverina an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana, ary ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 Nanintona ny sain’ny mpanara-baovao ny tenin’ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa, filoha lefitry ny CST no sady mpisolovava an’Atoa Ravalomanana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Magro Behoririka. Nambarany fa tsy tokony hifantoka be loatra amin’ilay fe-potoana hoe 8 na 18 oktobra ny adihevitra, misy foana ny fepetra manokana ampiharina amina tranga manokana, hoy izy. Na dia tara ilay fe-potoana enim-bolana tsy maintsy hipetrahana eto Madagasikara, mialoha ny fifidianana, aza izany ny filoha teo aloha dia tsy tokony ho olana firy fa mety ho afaka ho kandida ihany. Ny antony dia satria, izay ilay fepetra manokana, vokatry ny fifanarahana politika rehefa amin’ny toe-draharaha tahaka izao.

Raha mbola itarina ihany ny resaka dia tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroany hatramin’ny 2009 izany ny ankolafy Ravalomanana fa dia handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ka tsy olon-kafa araka ny tombantombana etsy sy eroa no ho kandida fa i Marc Ravalomanana, izy tenany mihitsy. Fantatra fa miasa mafy ny mba hahatanteraka izany, ity ankolafy ity, na eto an-toerana izany na any ivelany. Efa tsy miafina ntsony izao fa ny ankolafy Rajoelina sy ny Frantsay no tsy mankasitraka hatramin’ny farany izany maha kandida an-dRavalomanana izany, mety ho eken’izy ireo ihany ny fodiany eto rehefa tena tsy hita izay zavatra afaka atao, fa ny hoe izy mandray anjara amin’ny fifidianana aloha dia tsy mety amin’izy ireo mihitsy. Ny antony dia satria mety mbola ho lanim-bahoaka, ity filoha teo aloha ity raha kandida eo, efa nisy mihitsy moa ny fanadihadiana nataon’ny avy any ivelany mikasika izany ka nanome isam-bato hatramin’ny 60% an’i Marc Ravalomanana ary raha ny tsiliantsofina re ihany koa dia mba efa nanadihady nanerana ny Nosy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny tetezamita ka nahafantatra fa mbola ho raharaha ny hitranga eto raha tafiditra eto sy kandida amin’ny fifidianana ilay rangahy iny.

Tsy lavina fa nisy ny olona sosotra, tezitra, nalahelo noho ny zava-nisy tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Nanadino ny tena asa mivaingana vitan’ilay fitondrana ireny olona ireny ary tena feno fankahalana ny fony. Mora ho an’ny mpanohitra noho izany ny niantso azy ireny ka nanatevin-daharana ny hetsika tamin’ny 2009. Nony nahazo fitondrana anefa i Andry Rajoelina dia akory ny fahadisoam-panantenana fa dia fanapotehana firenena sy fanambakana vahoaka tsotra izao no nitranga. Izay vao samy nanembonembona ny asa vitan-dRamose avokoa, eny fa na dia ireo sosotra taminy fahiny aza. Fihetsiketsehana ivelany, fanapenam-bava, fanaovana ramatahora, fanangonan-karena haingana sady manara-penitra, fanomezana tany midadasika ho an’ny vahiny, fandripahana ny alana boaderozy, fitrandrahana gaboraraka ny volamena sy ny vatosoa, izany no mampalaza ny tetezamitan-dRajoelina. Manampy ireo ny fahaverezan’asa sy ny firongatry ny asan-jiolahy isan’andro. Tsy izany ve no fiovana mankany amin’ny ratsy kokoa e ? Ary raha tafaverina eto ilay iraika lahy teo aloha dia izay no vita, fa tapitra hatreo ny fampiesonana sy ny fanova-maso, ary ho maro ihany no ho very fihinanana.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT