Tsy maintsy!

Ny anaty fitondrana sy ireo mpiaradia aminy moa izany mihirahira hoe


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Mody apetraka eto ny fanontaniana na dia efa hain’ny maro an’isa aza ny valiny hoe «tsy maintsy mandroso mankaiza?». Tsy maintsy mandroso mihemotra any aoriana ve izany izy ity satria raha ny tarehimarika sy fampilaharana iraisampirenena toy ny eo anivon’ny banky iraisampirenena sy ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI aloha izany izao dia gidany ilay firenena malagasy. Farany mahantra! Mbola afaka hilatsaka ambany noho izao ve, hoy ny jeneraly Ramakavelo izay? Raha ny fivoriana tetsy sy teroa nitranga omaly indray, ho an’ireo ivelan’ny fitondrana kosa aloha, dia saika samy niaiky fa «Tsy maintsy avotana» ilay Madagasikara. «Madagasikara tsy maintsy avotana!» izany eto no resaka. Heverina fa samy fikasàna tsara ho an’ilay firenena daholo izany rehetra izany saingy ny maha samihafa azy dia ilay voalohany mbola nofinofy foana hatramin’izao na dia efa eo am-pelan-tanany daholo aza ny fahefana rehetra. Raha oharina amin’ny fahandroana lasopy ilay izy dia hoe efa eo daholo ny akora na «engredient» rehetra toy ny persily, ny karoty, ny dipoavatra hatramin’ny antsy sy sotrobe ary vilany efa misy rano ampangotrahana mitaingina eo ambonin’ny afo. Mandrotsaka ireo akora izany sisa no tokony ataon’ilay fitondrana. Efa io Tsimiroro sy Bemolanga, ny safira sy volamena, izay rehetra azo ahodina ahafahana mitondra ilay firenena any amin’izany tena fampandrosoana izany kanefa ny ataon’ilay fanjakana dia midongy be tsy mety mandrotsaka an’ilay lasopy fotsiny izao. Ilay hoe «Tsy maintsy avotana!» dia hita ho miantso fandraisan’andraikitry ny olompirenena tsirairay mihitsy hifanome tanana ho any amin’izay fanavotam-pirenena izay saingy hatreto moa izany iny mbola mijanona ho teoria fotsiny koa. Tsy fahampiana enti-manana ve no antony sa fidongian-toeran’ireo zokiolona? Na izany na tsy izany dia efa fanombohana daholo izany rehetra izany ka enga anie mba hisy tohiny azon’ny vahoaka malagasy tsapain-tanana mankany amin’ny tena fampandrosoany amin’izay! J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT