Tsy maintsy miroso

Tsy afaka mihemotra


  • Zoma 29 Mey 2026

intsony i Madagasikara fa tsy maintsy

miroso amin'ny fanavaozana.Io no zavatra nandrasana raha nitolona ny hery velona ny taona 1991, nanao ny azy ihany koa ny Tiako i Madagasikara ny taona 2002, tsy afa-po tamin'ny fitantanana ny firenena ny TGV koa dia nihetsika ny taona 2009. Efa nisy teto ihany koa izany hoe hetsiky ny 73 depiote ny taona 2018 , hetsika fotsy ny taona 2023 ary iny fihetsehan'ny tanora nanomboka ny volana oktobra 2025 iny no naharava ny fitondran'ny TGV Mapar izay saika hanorom-ponenana maharitra teto. Tsy adino ny tolon'ny mpianatra tamin'ny 1972 fa goavana ary tena nanamarika ny tantara. Isan-karazany mihitsy ny tolona nisy teto, nisy mpitarika maro nifandimby ary isaky ny miainga dia hoe ity no tena izy. Taona vitsy aty aoriana anefa miverina ihany ny krizy. Ampy kosa angamba izay ny ankitsapatsapa, mila resaka matotra, fifanakalozan-kevitra hahasoa marina ny fiarahamonina sy ny firenena no antenaina fa hisy amin'ity indray mitoraka ity ka mba hiaina izany fitoniana politika sy fampandrosoana mitohy izany amin'izay i Madagasikara. Efa tsy nahatratra tanjona hatrany hatrizay noho ny krizy politka , anisan'ireo firenena gisitra kanefa malaza hoe manankarena sy manana mponina matsilo saina. Fitantanana tsy mahomby no antony, ka raha io no miova, dia hanomboka hotanteraka ilay tononkira ao amin'ny Ry tanindrazanay malala o ! Hiadana sy ho finaritra , e sambatra tokoa izahay.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT