Tsy maintsy miroso

raha tsy te hihemotra


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Efa miha mazava ny raharaha. Tsy manaiky ny fandikan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana

ny firaisankinan’ny Tia Tanindrazana, maneho hevitra am-pilaminana, vonona amin’ny fifampiresahana. Ny ankilany kosa miavona, mieboebo, ary mihantsy ady mihitsy aza. Tsy vonona amin’ny fifampiresahana, tsy te hiasa saina fa ny hiroso amin’ny fifidianana ihany na ho vy na ho vato. Ka inoan izany no atao, ahona ny mety ho tohiny, hoy ny olom-pirenena izay mety tsy tena maharaka tsara ny politika avo lenta mahazatra ny mpisehatra amin’ny politika. Misy ireo tsy te hisahirana ihany koa ka manjary tafaroboka any amin’ilay fomba fijery hoe : izay hifanosehan-dry zareo ao fa aleo mitady izay ho arapaka anio fa tsy misy hihinanan-kanina izany politika izany. Aoka handinika tsara, aoka hitandrina fa tena miankina amin’io politika ion y ho avin’ny firenena, ny ho avin’ny isam-paritra, ny ho avin’ny isan-tokantrano , ny ho avin’ny isam-batan’olona. Mijoro ho an’ny firenena sy ny taranaka izahay hoy ireo kandida 11 mivondrona eo anivon’ny Firaisankinan’ny kandida na ny Collectif des candidats. Tsy resaka hoe te hitsangatsangana eny an’arabe na haka sary etsy sy eroa fa tolona io ary tolona izany tsy vita indray andro. Manova zavatra betsaka ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay sy ny fanapahan-kevitra hoe andao hijoro. Tsy misy mangidy toa ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany, tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Tsy misy izany hoe mijanona am-pitoerana izany ka hoe aleo izaho eto fa tsy misy idirako .Tsy maintsy miroso raha tsy te hihemotra.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT