Edito

Tsy maintsy mifanaraka


  • Alarobia 07 Novambra 2012

Mety hanova zavatra maro amin’ny fomba famahana ny krizy ilay fihaonan’i Joaquim Chissano tamin’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.

 Izy mianaka ireto mantsy no tena fototra niaingan’ny krizy teto, na dia maro be koa aza ny olona tao ambadik’izy ireo tsirairay avy. Tsy azo eritreretina mihitsy noho izany ny hoe hamaha ny krizy eto Madagasikara, kanefa mbola mifanandrina sy mifanao vava foana Atoa isany Rajoelina sy Ravalomanana. Tsy hoe izy ireo no tena mahay mazia sy mahay politika indrindra eto Madagasikara, fa kosa tompon’ny fanalahidy amin’ny famahana olana goavana maro. Koa raha mifanaraka sy mahita ny marimaritra iraisana izy mianaka dia azo antoka fa efa mivaha amin’ny ampahany betsaka ny krizy. Ny fodian’i Marc Ravalomanana sy ny filatsahan-kofidiany no hita fa tena tsy levon’ny vavonin’i Andry Rajoelina, ary azo antoka fa miankina amin’io no haha kandida azy na tsia. Hita ho tsy mbola matoky tena ny ho lany mantsy ny filohan’ny tetezamita, raha toa ka tafaverina eto no sady kandida ny filoha teo aloha.

Saika tsy nety nanasonia ny tondrozotra ny ankolafy Rajoelina sy ireo miara-dia azy, raha tsy natovana tao ilay andininy faha-45 milaza fa manana ny fiandrianany tanteraka ny fitsarana Malagasy ary afaka manao ny asany, izany hoe ampiharina ilay andininy faha-20 : mody eto i Dada saingy mihatra aminy indray ilay andininy faha-45 ka dia hosamborina izy, hotsaraina. Tsy hisy zava-banona anefa eto raha izany no mitranga, ary tsy hisy famatsiam-bola ho azo avy any ivelany izany. Ny hatahorana, na ireo tetikasa vahiny goavana eto amintsika aza mety hampiato ny asany ka hihena be mihitsy ny hetra hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

Efa nitady lalan-kafa hahazoana vola be tany ivelany ihany tahaka ny tany amin’ny firenena arabo i Andry Rajoelina sy ny ekipany saingy tsy tafavoaka. I Lafrantsa mpanohana, rahateo moa tsy hanome vola izany, fa ny maka ny harena eto no tena mahamaika azy. Voafehin’ny fifanarahana anatiny ao amin’ny Vondrona Eoropeanina koa i Frantsa ka tsy tena afaka manohana ara-bola be ny fitondrana tetezamita. Raha tsy te ho halam-bahoaka sy hiharan’ny haterezany ny filohan’ny tetezamita dia tsy maintsy manaiky ny hanaovana fifanarahana politika ihany ary manaiky ny fodian-dRavalomanana sy ny filatsahan-kofidiany. Mazava ny fanambaran’ny Banky Iraisam-pirenena farany teo fa vonona ny hamatsy ara-bola ny fikarakarana ny fifidianana izy ireo, nefa mitaky ny hanaovana fifanarahana politika mba tena hisian’ny fitoniana eto Madagasikara. Roa ihany ny safidy : na mifanaraka dia milamina, na tsy mifanaraka dia mitohy ny krizy ary ny farany ho tonga eto ihany ny ady an-trano.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT