Edito

Tsy maintsy mianatra


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Araka ny antontan’isa navoakan’ny INSTAT dia tsy nianatra mihitsy na nahavita ambaratonga fototra fotsiny ny 85%-n’ireo olona tonga taona tokony hiasa eto Madagasikara, nahavita ambaratonga faharoa ny 12%, ary nahavita fianarana ambaratonga ambony ny 3 %. .......

Azo heverina avy amin’io antontan’isa io fa tena mila ezaka be eo amin’ny resaka fampianarana sy fanofanana arak’asa isika. Tsy atao mahagaga raha naka mpiasa avy any amin’ny firenen-kafa ireo orinasa goavana mpitrandraka harena ankibon’ny tany raha nanomboka niasa teto satria tsy mbola ampy fahaizana isika. Ny mampatahotra, raha tsy mivoatra haingana isika dia sady olona tsy ampy fahalalana no tsy ampy traikefa no hitantana ny firenena atsy ho atsy. Tsy maintsy mandrafitra paikady goavana momba ny fanavaozana sy fanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Latsaka ambany loatra isika Malagasy eo amin’ity resaka fampianarana ity, nisy ny ezaka goavana efa natomboka tamin’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny alalan’ilay tetikasa Fanabeazana ho an’ny rehetra (Education pour Tous) saingy rava ny tsena rehefa tonga ny mpanongam-panjakana. Sarotra ambakaina, sarotra ampiesonina ny vahoaka rehefa nianatra sy  ampy fahalalana. Ho mora kokoa ny asa fampandrosoana atao eto rehefa mahay, mahalala no sady mahavita ny Malagasy fa tsy variana manonofy sy manantena fahagagana foana isaky ny mihetsika. Manana adidy goavana hanabe sy hampianatra ny vahoaka tsy an-kanavaka ny mpitondra fanjakana ary tena dingana tsy azo ialana io raha hampandroso firenena, satria tsy misy mihitsy izany hoe firenena manankarena sy mivoatra izany kanefa bado no maro an’isa ao aminy. Fotoana koa angamba izao hampahentitra amin’izay ny fanjakana momba ireo fianarana na ivontoeram-piofanana miorina eny amin’izao elakela-trano rehetra izao, fa tsy ny fahamaroan’ny toeram-pampianarana anie akory no manatsara ny kalitaon’ny fampianarana na mampahay ny olona e ! Mila fiheverana kely ity resaka fampianarana sy fanabeazana ity satria fototra iorenan’ny hoavin’ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT