Tsy maintsy manova!

Tsy misy manadino fa fanovàna


  • Alatsinainy 15 Desambra 2025

no notakiana teny an-kianja nandritr’ireny

tolona nivaivay teto amin’ny firenena nanomboka ny 25 septambra ireny. Na oviana na oviana moa izany, na iza na iza nitarika azy, na nanao ahoana endriny, na tamin’ny 1947 na tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018, 2025 dia natao batisa ho tolom-bahoaka foana no niantsoana azy rehetra. Raha ny tolom-bahoaka 2025 no fehezina ny filaza azy dia ny hoe «Tsy maintsy manova!». Tsy maintsy manova ity firenena ity amin’izay isika manomboka eto satria malaza ho feno fahalovana, feno rafitra lomorina, voagejan’ireo mpanao ampihimamba iraisampirenena, hatramin’izao tsy manana ny tena fahaleovantenany fa dia niaina fahaleovantena sarintsariny nandritry ny 65 taona mahery be izao. Izany rehetra izany no isan’ny tsy maintsy ovaina eto amin’ity firenena ity. Tsy afaka ny hilaza mora foana isika hoe mora dia mora ny manova izany rehetra izany vetivety eo. Samy mahafantatra ny rehetra fa tsy hamela mahazo ny firenena nambabo ity firenena ity hatramin’ny taona 1896 dia ny firenena frantsay. Mety mbola miezaka ny hangorona ny anjarany koa ireo firenen-dehibe hafa satria firenena vao namarinin’ireo manam-pahaizana vao haingana fa feno otrikarena ity nosintsika ity. Malaza ho mifandrombaka maka izany otrikarena izany daholo na ny avy ao Asia toy ny pakistanais na karàna, hoy isika, sy ny sinoa. Toy izany koa ireo ao Eoropa sy ny amerikanina. Ny firenena arabo koa voatonona matetika, indrindra, tamin’ny fitondràna teo aloha. Efa fanontaniana fototra heverina ho an’ny an-dohan’ireo olompirenena sy mpanara-baovao malagasy mandrakariva ny hoe ahoana no ahafahan’ny malagasy mifehy sy mitantana ny harena misy ao amin’ny taniny mba ho tena tombontsoam-pirenena tokoa? Ahoana no ahafahan’ny firenena tena miala amin’izay amin’ny fangejàn’ireo firenena vahiny, indrindra, firenena matanjaka? Ahoana no ahafahan’ilay Madagasikara izay nambara farany teo fa firenena feno otrikarena mba ho lasa firenena manankarena ahodina mankany amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny paosin’ny malagasy tsivakivolo amin’izay? Hirariana, araka izany, mba ho tena hafana ny hadihevitra anatin’izao fikaonandoham-pirenena sy ireo karazana fihaonambe mifandraika amin’ny mandritry ny fotoana maharitra eto amin’ny firenena izao satria na tiantsika na tsy tiantsika, rehefa tena te handroso dia tsy maintsy manova isika!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT