Edito

Tsy maintsy mandroso ho aiza?


  • Zoma 08 Desambra 2023

Madagasikara tsy maintsy mandroso! Tarigetran’ilay filoham-pirenena nolaniana fanindroany teo,

hono, izany. Filoham-pirenena izay efa nitondra teto nandritry ny 5 taona farany ary mbola namela hitantana ny firenena ny governemantany hatramin’izao isika miresaka izao. Nandroso ve i Madagasikara tao anatin’izay 5 taona izay? Antananarivo tsy maintsy mandroso koa, hoy ny ben’ny tanànan’ilay renivohitr’i Madagasikara izay notohanany tamin’ny fampielezankevitra. Tsy isalasalana nefa fa iaraha-mahalala fa tsy nandroso i Antananarivo fa nihemotra ary isan’ireo sangany amin’ny renivohitra maloto indrindra eto ambonin’ny tany. Ary i Madagasikara izay lazaina hatramin’izao fa tsy maintsy mandroso io? Tsy maintsy mandroso ho aiza? Tsy maintsy mandroso ho any amin’ny jadona ve, araka ireny tranga niseho tato ho ato ireny? Hatramina mpanao gazety ankehitriny no llazaina fa nandrisika miaramila hikomy. Efa maro moa ny tsikera sy sosokevitra naroso teto amin’ity firenena ity ho an’ireo mpitondra nifandimby saingy tsy nisy nihaino ve sa tsy nisy nahay nanatanteraka? Atao hoe hita ho sarotra tamin’ny manam-pahefana tato anatin’ny 15 taona farany angamba ny mihaino ny manam-pahalalana, mba tsy hilazana hoe manam-pahaizana manodidina azy. Aleony mihaino ireo mpisolelaka. Ireo mpisolelaka mihitsy aza no toa mahagaga fa tena sahy manangatra, hoy ny fomba fiteny izay, rehefa misy sahy manitsy ny tsy mety ataon’ny manam-pahefana! Izay tokoa angamba ilay hoe firenena hafakely ilay Madagasikara… “tsy maintsy mandroso!”.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT