Edito

Tsy maintsy ho tratry ny aloka


  • Zoma 08 Septambra 2017

Rehefa tiana hovonoina ny alika dia lazaina fa romotra, hoy ny fitenenana.


Io no fomba fiady entin’ny fanjakana HVM, hoenti-mamotika ireo kandida sy mpanao politika atahorany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Voizina ankehitriny, fa efa nohelohin’ny Fitsarana, efa nanongam-panjakana … ny mpanao politika izatsy na izaroa, izay sokajiana avokoa fa tsy ho resin’ny HVM raha mandeha ara-drariny sy ara-dalàna ny fifidianana. Hodiana tsy hita sy hikipiana tanteraka kosa fa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina anie, ka iray tamin’ireo mpitondra 109 nohelohin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Raha hifanatsikafona ny raharaha maloto teto amin’ny firenena angamba ity fanjakana HVM ity no tsy ho afa-maina voalohany, saingy mirehareha fatratra amin’ny fahefana eo am-pelantanana aloha, dia mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka. Efa fomba fanao sy zary lasitra arahin’ny rehetra rahateo ny tenin’ilay vehivavy malazan’ny kolikoly hoe : “izahay izao ny eo amin’ny fahefana”. Raha mitohy tokoa ny hazo, lanin’ny voalavo ny lanitra, hoy ny fitenenana, ka hifampitsara eto isika aoriana kely hoe : mbola ho afaka eo anatrehan’ny onjan’ny fitsaram-bahoaka handrendrika azy ve ny fanjakana milaza azy ho matanjaka sa ho rendrika sy ho levona ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT