Edito

Tsy maintsy ho kandida …


  • Talata 10 Mey 2011

Afaka 5 volana dia higadona ny volana septambra voatondron’ny sori-dalana fa hanatanterahana ny fifidianana.

 Raha ny resaka hatramin’izay aloha dia ny fifidianana solombavambahoaka no halefa mialoha dia avy eo ny filoham-pirenena. Misy koa anefa ireo mandroso hevitra fa tokony hampiarahana amin’ny andro iray ireo fifidianana roa ireo. Tsy mbola misy mazava mihitsy anefa ny manodidina ity fifidianana ity amin’izao fotoana, manomboka miteraka resabe ihany koa ny mety ho filatsahan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina na tsia. Raha ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny 2009 aloha sy ny fihetsiky ny antoko natsangany dia ho kandida ny filohan’ny FAT ary araka ny nambarany dia matoa izy milatsaka dia efa azony antoka fa tsy maintsy ho lany.

Maro be anefa ireo tsy mankasitraka ny maha kandida ny filohan’ny FAT noho izy mitantana ny tetezamita ary mahalala sy mahafantatra tsara ny aty vilanin’ny fitantanan-draharaham-panjakana no sady mbola afaka mibaiko sy manome toromarika ireo minisitra. Koa na eo aza ny CENI izay mbola azo iadian-kevitra ihany koa ny nandrafetana azy dia maro no tsy resy lahatra ny amin’ny tena hampangarahara ny fifidianana mety hotanterahana amin’ity taona 2011 ity satria sady atao maimaika izany no mety hitrangan’ny fiandanian’ny fanjakana amina kandida iray. Ho an’ireo maharaka tsara ny raharaham-pirenena sy ny tontolo politika dia tsy niteniteny foana i Andry Rajoelina raha nilaza hoe misy fotoany ny zava-drehetra ary matoa milatsaka dia efa mahazo antoka izany fa ho lany. Mifono zavatra maro be izany fanambarana izany ary manamafy ny ahiahy rehetra hatramin’izay fa efa tao anatin’ny roa taona no nanomana io filatsahany io ny filohan’ny FAT ka manezaka mafy mametraka ireo rantsa-mangaikany any amin’ny faritra rehetra any ny antoko TGV, ka rehefa vita sy mipetrapetraka tsara izany dia hanambara amin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany amin’izay ny filohan’ny FAT. Azo adika ihany koa izany rehetra izany fa mety aminy ny fihemoran’ny fifidianana.

Amin’izay mantsy vonona tsara ny mpanohana ary efa milamina sy mirindra ireo paikady rehetra. Tsy maintsy ho kandida i Andry Rajoelina, satria efa notaterina teto ihany fa maro be ireo fifanarahana na amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena io, indrindra fa ny miaraka amin’ny Frantsay, na eo amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy maintsy hosoniaviny ho fanomezana fahafam-po ireo hanohana ara-bola azy nandritra izao tetezamita izao. Nambaran’ny filohan’ny FAT fa olona malala-tanana avy any Afrika Atsimo no nampindrana azy ilay fiaramanidina Airbus farany teo, ary mbola malala-tanana ihany koa no nanome ilay fiaramanidina Falcon 900 EX. Tsy bado daholo akory ny olona fa mahafantatra tsara fa tsy maintsy misy ny tambin’izany rehetra izany, ka raha tsy manam-bola aloha izao ny fitondrana tetezamita dia alaina amin’ny manaraka ny hofany na ny vidin’ireo fiaramanidina ireo rehefa voafidy soa aman-tsara ho filohan’ny Repoblika faha IV i Andry Rajoelina.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT