Edito

Tsy maintsy hisahotaka ihany


  • Zoma 13 Mey 2016

Nandalo dia niserana tokoa ingahy Ban Ki Moon sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Tsy dia nisy zava-baovao ny nambarany fa efa firesaka isaky ny mihetsika eto ihany.

 Tsy nisy ny niova, ny omaly ihany no anio ary mbola hitarazoka rahampitso ny olana satria tsy manam-bahaolana mazava ny fitondram-panjakana. Tahaka ny hoe miaina amin’ny kisendrasendra sy ny vintana ve izany ny eto Madagasikara sa ahoana ? Tena tsapa amin’ny kabary na ny fomba firesaky ny ankamaroan’ireo tompon’andraiki-panjakana fa sokina nanani-bato ka tapi-dalan-kaleha izy ireo, eo amin’ilay seza fotsiny fa tsy hita izay atao. Izao vao tena ahiana ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy goavana, ary raha ilay fomba fiasan’ny fitondrana HVM hatramin’izao aloha dia mety ho sempotra ihany ry zareo raha tsy sanatria mirodana mihitsy aza. Fahasosorana amin’ny antanatohatra rehetra no misy eto. Mibaribary loatra mantsy ilay fitiavan-tenan’ireo manampahefana sy ny resaka akamakama mifampitarika amin’ny fangoronan-karena tsy misy fetra. Hitan’ny vahoaka eny anaty fiarahamonina daholo izany. Mijery sy mihaino izy dia mitadidy ka asakasak’ireo mihevitra azy fa manampahefana ihany io. Azo alamina raha ao ny finiavana hiresaka sy hifandefitra, fa raha entina amin’ny mokon-doha io dia hisahotaka ny eto a !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT