Edito

Tsy maintsy hatrehina


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Mba mandina kely aloha ny renivohitr’i Gasikara fa nirotsaka ny orana tamin’ny faran’ny herinandro.

 

Antenaina mba hieli-patrana manerana ireo faritra manerana ny nosy ihany koa izay rotsak’orana izay ho an’ity herinandro manaraka ity satria dia tsy nisy izay tsy nikolay manoloana ny hainandro migaingaina sy toetr’andro mivadibadika ateraky ny « krizy ara-tontolo iainana » mipoitra ankehitriny. Eo ihany izay resaka toetr’andro izay fa miara-dalana aminy dia tsy maintsy hatrehina koa ity raharaham-pirenena manahirana ny rehetra ity. Tsy mihemotra ny fitondram-panjakana fa hiroso amin’ny dingam-pifidianana ihany izany manomboka rahampitso na dia mbola tsy misy tokontaniny mazava aza ny fiainana an-davan’andron’ny vahoaka. Mazava ho azy rahateo fa tsy maintsy ho valin’izay fehezanteny izay avy aminy ny hoe tsy maintsy hampandehanina ny raharaham-pirenena na koa hoe tsy atao hampihemotra ny sakana. Mety mbola ahita valinteny hafa mitovy karazana amin’ireo koa aza izy. Andeha ho ekena fa zava-dehibe ny fifidianana satria fanavaozana ny fitantanana eto amin’ny firenena moa no lazaina fa tanjona aminy. Fanontaniana mipetraka anefa dia hoe rahoviana ihany izany anefa isika no mba hiatrika fifidianana am-pilaminana toy ny any amin’ireo tany demokratika filamatra? Tsy maintsy fifidianana tontosaina anaty fotoanan’ny orana foana ve? Tsy maintsy fifidianana hiteraka ahiahina hala-bato sy hosoka hatrany ve? Ity manaraka ity moa izay dia sady ho eo anivona fahasahiranana sosialy toy ny olana ara-tsolika sy jiro sy rano ary sondro-bidin’ireo entana ilaina an-davan’andro. Dia iza indray no ho soketaina sy omena tsiny avy eo amin’ny tsy fahatomombanana azo sorohana dieny izao? Azo antoka ve fa handeha amin’ny laoniny ary ho maty paika fa tsy ho sanatria ho toy ireny fikarakarana bakalorea ireny ny zotram-pifidianana hanomboka rahampitso? Tsy maintsy hatrehina e !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT