kabarin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina,
ny voambolana hoe «fanarenana», raha toa ka «fampandrosoana» na koa hoe «tsy maintsy mandroso» hatrany no matetika heno tao anatin’izay 7 taona mahery naha filohana repoblika azy izay. Vaka nandritr’izany taona maro izany ny sain’ireo mpanara-baovao tamin’ny hoe aiza ho aiza amin’izao moa izany ilay lazain’ny filoham-pirenena fa fampandrosoana efa miainga? Na ny tahirim-bola iraisampirenena na ny banky iraisampirenena sy izay sehatra iraisampirenena manara-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ity firenena ity dia samy namoaka tombana sy tarehimarika avokoa fa miha mitotongana ny fihariana isan-tsehatra eto amin’ity firenena ity. Miha miditra anaty fahantrana lalina ilay firenena. Io izany izao fa miaina fipoahana krizy indray ary hiditra hatrany amina krizy vaovao. Izay izany vao miaiky ny filoha fa fanarenana aloha fa tsy mbola fampandrosoana no ilaina eto. Tsy maintsy harenina tokoa izany ity firenena ity na oviana na oviana no hisavàn’izao rahona mainty mandalo eto aminy izao! An-dalam-paharavana io ny rafitra misy, raha ny fanazavàn’ny Jeneraly misotro ronono no sady efa minisitra teo aloha iray. Manam-pahaizana amin’ny politika koa izany olobe izany. Izany rehetra izany dia mbola manamafy hatrany fa tsy maintsy harenina izao toe-draharaha izao saingy manomboka mipetraka izany ankehitriny ny fanontaniana hoe aorian’ny fahavitàn’izao nantsoina hatramin’ny taona 1947 hoe «tolona» mitranga eto amin’ny firenena izao dia iza, na ny marimarina kokoa hoe, iza avy izany no afaka hanarina ity firenena ity firenena ity avy eo? Isan’ireo hahatsapa ny anjara birikiny amin’izany fanarenam-pirenena izany ve ireto tanora antsoina hoe «Génération Z» ireto? Hahazo toerana ao anatin’ny rafitra vaovao mety hajoro ao anatin’izany ve ireo hita ho miseho mitarika izany «tolona» izany amin’izao fotoana izao? Samy miaiky ny rehetra fa mifoha ankehitriny ny fitiavan-tanindrazan’ny tanora malagasy saingy ampy hanarenana ilay firenena ve izay fitiavan-tanindrazana sy hatanorana izany? Na tiantsika na tsia, tsy maintsy harenina io zava-misy io raha mbola te hiaina eto koa!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.