Edito

Tsy mahita atao


  • Talata 04 Septambra 2018

« Tsy hita izay atao. Miambakavaka ny saina. Miferoferotra ny aina. Malotoloto ny maraina. Velon-taraina».

 

 

 Toy izay tononkirana mpanakanto mpiangaly mozika mavesatra iray izay mihitsy amin’izao fotoana no fiainan-dRamalagasy. Tsy mahita atao manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay miha manahirana azy. Nandalo ny tolon’ny 1947. Hay, hono, izy natao fitaovana tamin’ireny fotoana ireny fa mbola sarintsarim-panjanahana ihany no nampiainana azy hatramin’ny taona 1972. Nitroatra indray avy eo taorian’io saingy hay mbola ilay efa tao ambadiky ny zava-nisy tamin’ny 47 ihany koa no voalaza ho nahatonga iny hetsika iny. Vokatr’izay dia mbola nandalo indray ny 1991, ny 2002, ny 2009 sy ireo hafa tsy hay intsony tao anelanelany tao saingy mbola izao isika ambivitry ny faharavana izao hatrany. Farany teo moa dia tsy mbola nahafa-po ihany koa ny tolon’izy 73 mianadahy kanefa dia niononana. 60 taona katroka isika izao no tsy nahita izay natao handresena ny fanabadoana. Ny hany vitantsika dia ny nandray sy ny nandairan’ireny « fanadontoloana » rehetra ireny ihany. Isan-taona dia tsy maintsy misy fitokonana sy fidinana an-dalambe na dia efa maro aza ny vavolombelon’ny tantara nanamarina ny tsy fahombiazany. Dia tsy mahita teknika sy fomba hafa hitakiana izay marary afa-tsy ny mifanao sorona ny samy madinika kanefa tsy mampiontsona ny any an-tampony toy izany hatrany ve ? Ireo any an-tampony izay fatra mpanao fitaovana ny madinika anefa dia mahay manatsara ny stratejia sy ny teti-dratsiny hampihena izay anjaranao sy ampitombo ny eo an-tanany foana isan-taona. Dia vaka ny saina raha nanontany ireo mijorojoro mitondra sora-baventy milaza ho tsy mila mpanongam-panjakana etsy Ambohidahy etsy hoe hihomehezan’ny olona, hono, izy ireo ary fantany fa tsy hahefa na inona na inona. Inona ary izany no mbola handaniana andro eo fa tsy mitady paikady hafa raha tena vonon-kanova tokoa ? Tsy aleo ve miandry fifidianana fotsiny ?

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT