Edito

Tsy mahazo aina


  • Talata 09 Martsa 2010

Nihiratra ny mason’Antananarivo sy ny manodidina omaly raha nahita ny firohotry ny vehivavy, miara-dia amin’ny ankolafy Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana, nihazo an’Ambaomanga hanamarika ny Andron’ny 8 martsa, tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo, ho anjara birikin’izy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fiara an-jatony no nitanjozotra nihazo an’ity kaominina iray ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana ity, ary olona an’aliny no nifarimbona tamin’ny voly hazo. Betsaka no velom-panontaniana, hoe : fa any Ambatomanga angaha ny natao ny fankalazana ofisialy ny Andron’ny vehivavy ? Mazava loatra fa tsy zakan’ny mpitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny sary nitranga omaly. Inona no zava-nitranga ? Notapahin’ny Jirama ny jiro mamatsy ny radio Fahazavana. Io rahateo no radio niampitan’ny teny mita sy fanentanana ho amin’ity hetsika tao Ambatomanga ity. Faktiora tsy voaloa ? Fianakavian’ny mpitondra ny tompon’andraikitra ambony, mpanapa-kevitra sady mpanao sonian’ny faktioran’ny Jirama, ka mety ho haingana ny fandraisany fepetra. Saingy ny mahagaga tamin’izy ity dia eo amin’ny andrin-jiro na  “poteau” ahatongavan’ny herinaratra no nanapahana ny jiro raha toa ka eo amin’ny kaonteran’ny mpanjifa no fahita mahazatra fa fanapahan’ny Jirama ny jiro. 

Rehefa natao ny fikaroham-baovao dia fantatra efa nivonona ny hanapaka ny jiro mampandeha ny Radio Fahazavana ny Jirama, “mba tsy hampahazo aina ny hetsika ataon’ny ankolafy telo” satria toa tsy te hahita fanindroany ny hamaroan’ny olona tamin’ny sabotsy tao amin’ny Magro ny mpitondra mahefa. Kinanjo tsy tana fa vao mainka nirohotra nankany Ambatomanga ny olona omaly na dia totoafo aza ny fampahafantarana ny fankalazana ny 8 martsa nomanin’ny fitondrana tao amin’ny Malacam Antanimena. Manaraka izay dia mitady ny fomba rehetra hanakanana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) ihany koa ny manampahefana. Mbola ny Radio Fahazavana anefa no sehatra nampahafantaran’ny HMF ny hetsika ataon’izy ireo, dia efa tsy hay tohaina ny olona manoina ny antson’izy ireo. Manomana hetsika lehibe, fijoroana vavolombelona amin’ny fahamarinana ny HMF amin’ny alakamisy izao mialoha ny hetsika goavana hatao ny sabotsy dia ny an’ny Jirama no nataony tonga aloha, nanapaka ny jiro, izay midika fa tapaka ny fifandraisana. Ity izany no tonga amin’ilay fitenenana hoe : matahotra ny masony nefa te hividy ny lohany.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT