Edito

Tsy mahay sa mody adala ?


  • Alakamisy 17 Desambra 2015

Tia manatsotra sy manaboribory resaka ny mpitondra fanjakana eto amintsika. Raha nilaza ny ahiahiny ny amin’ny nampidirana ny Air Madagascar tao anatin’ny Annexe B ny mpiasa sy ny olon-tsotra mpanara-baovao dia nolazaina fa manatavy resaka sy be filaza fa efa mandeha, hono, ny fifampiraharahana ka amin’ny febroary 2015 dia ho afaka ao ny Airmad.

 


 Inona akory no teo fa lazaina hoe amin’ny 2016 indray hodinihana. Ny kaompania vahiny hafa amin’izany mibosesika miditra eto ary tena haka ny tsenan’ny Airmad tsotra izao. Izao lazaina fa hahazo tombontsoa goavana amin’ny fisokafan’ny habakabaka i Madagasikara, ary efa nisy, hono, ny fifampiresahana lalina tamin’ireo firenena hiara-kiasa amintsika ka tsy tokony hiahiahy amin’ny fidiran’ny terôrista eto izany isika. Asa aloha raha mahalala tsara ny sarin-tanin’izao tontolo izao ireto mpitondra fanjakana ireto na tsia fa i Tiorkia anie ka tena manakaiky ireo tany arabo (Syria sy Irak) fialokalofan’ny mpampihorohoro e ! Ary misy antony goavana matoa natao tany Tiorkia ny fivorian’ny G20 farany teo, izany hoe ireo firenena 20 manankarena indrindra maneran-tany. Mandeha ny resaka fa nisy fifampiraharahana nataon’ireo firenen-dehibe tamin’i Tiorkia ny mba hamindrana any aminy ireo  mpitsoa-ponenana tonga any eoropa, misy tetibola amina miliara dolara omena hanatanterahana izany. I Tiorkia indray avy eo no mikaroka hevitra ny amin’ny hanaovany ireo mpitsoa-ponenana ireo rehefa tonga any aminy. Ka tsy efa mazava ve ny resaka izany e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT