TSY MAHAY MITANTANA E !

Efa tena miehvitra ny olona ho


  • Alarobia 15 Janoary 2025

dondrona mihitsy ve ny fitondram-panjakana.Ankehitriny

no noana sy tsy ampy sakafo, afaka iray volana sy tapany no hoe hidina ny vidin’ny kapoakan’ny vary. Raha iverenana kely ireo asa natao hoe goavana nandaniana ny volam-panjakana sy nitrisana vola tany ivelany dia eo izany ny kianja barea , ny teleferika ary ny colisée naorina ao Anatirova. Efa manodidia ny 1079 miliara ariary be izao no lany. Fa mba nitondra inona marina ho an’ny vahoaka malagasy, ho an’ny firenena moa izy ireo 3 taona aty aoriana ? Tezitra ireo manampahefana rehefa misy miteny hoe ratsy tantana ny firenena, kanefa mibaribary be ilay fitantanana tsy mahomby. Mivoaka ny volabe laniana any amina zavatra izay manaitaitra sy mety hoe nofinofina vondron’olona ; tsy mitera-bokatsoa iombonana akory anefa. Mba ahoana ny momba ny Air Madagascar izay potika tanteraka izao, io koa ny Jirama efa tsotsofina, ny harem-pirenena na biby na vato sarobidy, na hazo sarobidy maro no tafaporitsaka tafavoaka an-tsokosoko an’i Madagasikara. Mitombo isa ny fanorenan-trano mijoalajoala sy ny fiara faran’ny raitra tena lafo. Fa mitombo isa manaraka izany ihany koa ny matory an-dalana, mangataka, mirenireny sy miteny irery eny rehetra eny.Sahirana ny olona, tena sahirana kanefa dia vavabe no asetrin’ireo manampahefana ny fitakiana managarahara sy ny marina. Tsy ady misy eto, tsy loza voajanahary nandravarava tanàna na namono olona ana hetsiny, fa tsy fahaiza-mitantana no mampilentika ny firenena.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT