Edito

Tsy mahay mitantana e !


  • Sabotsy 02 Aprily 2016

Ny fitavozavozana amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fampanantenana be loatra tsy arahan’asa no tena antony nahatonga ny


fahasosoran’ireo mpitatitra mandalo an’Ambatoroka ambany, Andohan’i Mandroseza sy Ambohipo ka nahatonga azy ireo nitokona omaly. Efa hatramin’ny volana novambra 2015 no nanomboka ratsy iny lalana iny, maro be ny antso sy fampandrenesana natao, nisy tompon’andraikitra nanome toky fa ho avy ny fanamboaran-dalana, nisy mihitsy moa ny olom-boafidy niezaka nanao izay tratrany nanentsina ny lavaka.Tsy ampy anefa izany satria efa tena mitaky asa goavana ilay fahasimbana, noho ny tsy fahampian’ny vola eo am-pelatanana miampy tsy fahaizana mandamina tsara izay tena laharam-pahamehana no mahatonga ny fitondram-panjakana manaotao foana. Ankoatra izay dia mety eo ihany koa ny tsy fahaizana mikaroka vahaolana mahomby, ny tsy fahaizana mifampiraharaha sy mandresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka. Fa inona mihitsy ary no mahatonga izany sakana rehetra izany ? Tsotra ny valiny, tsy fahaiza-mitantana, mbola manjavozavo be ny fomba fiasa, tsy misy ny mangarahara, tsy atokisan’ny mpamatsy vola ny mpitondra fanjakana koa dia miaina amin’ny kely eo am-pelatanana. Ny kabary fampanantenana anefa misavovona, ka aiza no tsy iharan’ny hatezeran’ny olona e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT