Edito

Tsy mahay mifandamina


  • Talata 25 Oktobra 2011

Raha misy ny zavatra tsy voafehin’ny Malagasy dia ny resaka fandaminana sy fifandaminana izany na organisation.

 Miankina betsaka amin’io anefa ny mampilamina na mampikorontana. Misy isan-karazany ireo sekoly sy ivontoerana eto amintsika mampianatra ny tokony ho fantatra rehetra, mba manao izay vitany ihany koa ireo mpampianatra any an-tsekoly saingy ny hita sy tsapa isan’andro dia mikorotan-dava ny Malagasy, tsy tia filaminana sy fahadiovana ary mampiaiky volana ny vahiny izay mandalo eto mihitsy. Ndeha haka ohatra vitsivitsy isika. Efa misy trano fivoahana miisa efatra natokana ho an’ny rehetra eo Analakely sy ny manodidina hatreny amin’ny Petite Vitesse, saingy mbola misy ihany ireo mivalan-drano eny amin’ny sisi-dalana eny. Entanina ireo mpivarotra mba hanana sobika na harona kely hanariana ny fakony saingy tsy misalasala ny manipy etsy sy eroa ihany izy ireo. Im-piry no namboarina sy nalamina ny fifamezivezen’ireo Taksibe eto an-drenivohitra, saingy ny omaly tsy niova ihany no hita fa dia tia mifanenjika sy mibahan-dalana ary mijanona amin’izay tiany hijanonana izy ireny, koa dia mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana. Santionany fotsiny ireo fa mbola maro be ny fihetsika ataon’ny tsirairay isan’andro izay tena manakorontana ny tontolo manodidina sy ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny.

Izao dia efa hita soritra hatrany amin’ireo mpitondra ambony sy ny mpanao politika io tsy fahaizana mifandamina sy mifanaraka io. Dia io iaraha-mahita io ny gidragidra anatiny ao amin’ny vondrona Escopol. Samy manana ny filazany ireo milaza azy fa mpitarika, ary vaky ambatolampy ny tsy fifankahazoana sy ny fiadiana mba ho lohany. Tsy mahagaga raha hivaky 2 na 3 na 4 ity Escopol ity satria samy tsy nanaja ny fifanarahana sy ny fifandaminana napetraka hatrany am-boalohany ireo lohandohan’ny mpisorona tao. Dedaka ery ny mpanao politika sy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena fa hoe vitan’ny samy Malagasy, hono, ny mifandamina, saingy dia niditra ihany ny SADC fa tsy nisy nahavita zavatra. Mazava ny resaka eto fa tsy mahay mifandamina ny samy Malagasy ka ny vahiny no mandamina, ary hita ho mipetrapetraka mihitsy ny fomba fiasa nentin’ny SADC tamin’ny alalan’ny Troika dia ireny niaraha-nahita ireny fa samy nanaiky ny hanasonia ilay sori-dalana daholo ihany ireo nifandrirarira sy nifanasa vangy hatramin’izay.

Rehefa tena nodinihana anefa dia io ihany anie ilay sori-dalana nisy teo hatramin’izay e ! Milaza ny hanangana tetezamita iaraha-mitantana hitondra ho any amin’ny fifidianana sy ny fanaovana famotsoran-keloka ho an’ireo gadra politika rehetra ary mandidy ny hampodiana tsy misy sakantsakana ireo nanao sesitany ny tenany. Savorovoro sy korontana anefa no tena manavanana ireo ankamaroan’ireo mpisehatra amin’ny tontolo politika dia izao mitarazoka efa ho telo taona izao ny krizy. Ny tany Tonizia anefa izao tamin’ny Febroary 2011 teo no nirodana ny fanjakana, ny alahady teo, izany hoe 9 volana aty aoriana dia efa nifidy ny olona. Antenaina fa efa nahazo lesona tamin’ny tranga rehetra teto amin’ny firenena hatramin’izay ny tsirairay ka mahalala tsara fa mora ny mandrodana fa sarotra ny mandamina sy manorina. Ary ity resaka ity koa dia tsy hoe natao ho an’ny mpitondra sy ny mpanao politika ihany fa ho an’ny olombelona rehetra eto Madagasikara mihitsy, ny fiarahamonina miaina milamina sy miasa mirindra ihany no mandroso fa tsy misy izany fandrosoana azo avy amin’ny gaboraraka sy ny savorovoro ary ny fandikan-dalàna izany mihitsy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT