Fa ahoana marina ary ny fomba fiasa ao amin’ny governemanta ao ?
Manomboka tsy afaka am-bavan’ny maro io fanontanina io, satria taorian’ny fifandirana sy fifanitsahana andraikitra teo amin’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana sy ny minisitry ny atitany, dia ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala indray no nahitsin’ny filankevitry ny minisitra notanterahana ny alarobia lasa teo. Efa nampoizina ihany moa izany, satria nampimenomenona ny maro ny namoahana taratasy mamela indray ny fanondranana hazo sarobidy nataon’ity minisitra ity tamin’ny volana janoary. Ireo mpiasan’ny ala moa dia efa nilaza fa tsy ara-dalàna ary tena karazana kitoatoa mihitsy ny namoahana naoty mba hanafoanana ny didim-panjakana.
Tsy hiditra lalina amin’ny ara-teknika isika fa ny hita fotsiny aloha izao dia misy zavatra tsy mety mihitsy ao ambonimbony ao e ! Toa samy manapa-kevitra araka izay hitiavany azy ny minisitra, tsy mahalala ny havia sy ny havanana ny praiminisitra, avy eo mitsipaka iny fanapahan-kevitra iny ny filohan’ny tetezamita. Tena tsy fahaizana ve ilay izy, sa fanahy iniana natao ? Sao dia fanipazana hoditr’akondro na tena fanakorontanana tsotra izao ? Sa ve misy resaka vola be ambadik’ireny famoahana, naoty sy taratasy ireny ka roboka amin’izany ny minisitra sy tompon’andraikitra ambony sasany. Iza marina no mibaiko eto ? Iza no ankatoavina ? Mba manana ny farafahakeliny tokony hananana amin’ny fanajana ny soatoavina amin’ny asany ve ireo minisitra ireo ? Manahirana ny toe-draharaha fa tsy mety mifanaraka ny samy Malagasy, fa toa samy maka ho azy izany.
Tsy tokony hahagaga raha tonga eto ny manampahaizan’ny SADC ka nanolotra volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, araka ny fenitra iraisam-pirenena sy efa natao tany amina firenena maro. Feno kajy politika loatra mantsy ny famotsoran-keloka tadiavina atao eto, ka azo antoka fa hiteraka korontana fa tsy hampitony ny tany sy ny fanjakana izany. Dia asa izay hiafarantsika eto, satria tsy mahalala vahaolana afa-tsy ny tondrozotra mitaky ny hisian’ny fiaraha-mitantana, ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny nambaran’i Marius Fransman. Ny dikan’izany dia tsy maintsy mifanaraka sy mikaroka ny marimaritra iraisana maharesy lahatra ny rehetra, na ny maro an’isa isika, ary tsy tokony hisy ny fanapahan-kevitra mifanipaka ataon’ny samy minisitra, na koa hoe samy hafa ny ambaran’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra momba na raharaha iray. Tsy mahay mifanaraka ny mpanao politika malagasy satria mibahana loatra ao amin’izy ireo ny fitiavan-tena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.