Edito

Tsy mahay mandray lesona


  • Alarobia 18 Mey 2016

Mety hananosarotra ihany atsy ho atsy ny toe-draharaha eto Madagasikara raha toa ka manao be marenina ny mpitondra fanjakana ka tsy mihaino ny hetaheta sy ny fitarainan’ny olona.

 Tsy misy ny tonga lafatra ka hahafa-po daholo izay zavatra ataony. Adidin’ny mpitondra sy mpitantana kosa anefa ny mikaroka vahaolana sy marimaritra iraisana handaminana ny fiarahamonina. Rehefa tsy hanao an’izay izy dia tsy misy ilana azy eo amin’ilay toerana. Ny manahirana eto Madagasikara anefa dia maro ireo manampahefana toa tsy miraharaha mihitsy ny soa iombonana ary minia tsy mahita ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka. Ny tena mampatahotra dia toa miha adala ihany ny mpitondrantsika fa tsy mba misy mahay mandray lesona tamin’ny lasa. Tsy efa nampifandramatra teto ve ny ampihimamba ataon’ny antoko eo amin’ny fitondrana, ny resaka fitondran’ny akamakama, ny fanaovana lava tanana sy fitsabahana amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, ny fanomezana vahana ny mpandraharaha vahiny ? Fa dia mbola izany ihany anefa ny zava-misy iainana ankehitriny. Tsy atao mahagaga mihitsy raha mety hiverina indray ny zava-nitranga tamin’ny 2002 sy ny 2009, ny fampihavanana mantsy tsy vita akory mba handaminana ireo krizy roa miantaona ireo dia efa manangan’ady amin’ny rehetra sy mipoerapoera eraky ny tanàna indray ny filoham-pirenena sy ny mpiara-dia aminy ankehitriny.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT