Fa dia efa inona loatra no manjo ity fitondram-panjakana ity ? Izany no resaka etsy sy eroa tato ho ato, taorian’ireo fanapahan-kevitra hafahafa noraisin’ny mpitondtra ambony....
Teo ihany koa ny fihetsika sy ny fomba fiteny nataona manampahefana sasany nanomboka tamin’ilay dian’ny filoha nankany Vatican. Tsy nisy mihitsy ny mangarahara fa rehefa totoafo ny fanakianana vao tezitra ingahy filoha. Avy eo dia hoe amidy daholo ireo boaderozy tratra tany ivelany, dia nolazaina indray fa hodorana ireo hazo sarobidy tsy dia metimety intsony na efa lo any amin’ny toerana ambanivohitra lavitra, na dia efa maro ihany aza no mahafantatra fa hazo anisan’ny faran’izay mafy ary tsy mety lo ny boaderozy. Izao indray dia io mametraka ny olony ao anatin’ny Air Madagascar io ny HVM. Mba voadinika tsara ihany ve ireny fanapahan-kevitra ireny ? Moa va tena mahalala ny zava-misy eto ireto mpitondra antsika ireto sa mieritreritra sy manonofy amin’ny alina dia tonga dia manapa-kevitra ny maraina ? Tsy herintaona nitantanana firenena akory dia efa mitovy amin’ny olona nitondra nandritra ny telo taona ny hadirin’ny fanakianana azo noho ny fanapahan-kevitra sadasada. Inona no mazia holazaina eto indray rehefa ho avy ny fiakaran’ny vidin-tsolika atsy ho atsy, ny olona anefa mba te hiala sasatra kely ary avy eo dia hampiditra mpianatra, vola mivoaka no dikan’izay. Ny saran-dalana anefa re fa dia tsy maintsy hisondrotra vantany vao miaka-bidy eo ny solika. Efa izany no zava-misy sy hisy dia mbola sahy manandran-doza ihany ireto mpitondra. Firenena anie ity tantanana fa tsy hoe trano fivarotana hani-masaka na zava-pisotro misy alikaola e ! Efa tsinjo dieny izao fa manana olana lalina amin’ny resaka fanapahan-kevitra ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina na dia ahitana manampahaizana sy teknisianina maro aza ao anatiny. Ary raha izao no mitohy dia ho raharaha no hitranga eto satria hisy ny fotoana tsy maintsy hihemotra, hiverina amin’ny fanapahan-keviny ny fitondrana rehefa mahery vaika ny fanakianana. Efa fambara faharesena anefa izany ary fampisehoana fa tsy mahavita azy ny mpitondra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.