Edito

Tsy mahavaha olana ara-tantara


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Feno 75 taona rahampitso ny fahatsiarovana izany hetsika na koa hoe tabataba 1947 izany. Hatramin’izao tsy mahavaha olana ara-tantara izay mpitondra rehetra mifandimby mandray fitondrana eto amin’ity Madagasikara ity

 raha toa ka efa mba nahavaha amin’ny ampahany betsaka amin’izany avokoa ny ankamaroan’ireo firenena niara-nandevozina tamintsika tamin’izany fotoana izany. Rwanda, Maorisy, Etiopia, Nizeria, eny, Kaomoro izahay noheverin’ny filoham-pirenena Malagasy ankehitriny fa ho firenena hila ny fanampiantsika atsy ho atsy. Tsy ireo voaziogan’ny firenena eoropeanina neverina fa manaja kokoa ny mahaolona mihoatra lavitra amin’ny frantsay tamin’izany fotoana izany ihany toy ny zanatany espaniolina sy anglisy no manomboka tafala amin’izay lovatarazom-panjanahana izay amin’izao fotoana izao fa na ireo avy tao ambany vahohon’ny frantsay koa aza. Isika izany izao ity no sisa tratra farany eto. Sisa tsy mety tafala amin’ny endrim-panjanahana vaovao na ny marimarina kokoa, sisa tsy mety tafala amin’ny vahohon’ireo mpanandevo vaovao, raha tena adika ara-piforonan-teny sy ara-keviny ilay teny frantsay nampiasaina tamin’izany hoe “colonisation”. Sanatrian’izany mbola aheno kabary toy ny fandre mahazatra isan-taona ihany ve toy ny hoe “niady ny fahafahantsika ireo bekotro maro olatra”, “tsy tokony andrara-kilo mby an-doha isika”, “tsy avelantsika ho very maina ny tolon’ireo razantsika” sy ny patati patata rehetra, hoy ireo vazaha, nefa hatramin’izao tsy mety tafavoaka fa miha milentika anaty fahantrana lalina? Ny nosy manodidina mitady hampamangy tanteraka. Ny tanim-bahoaka koa ity mbola iadiana mafy hatramin’izao amin’ireo heverin’ny maro ho mpanjanaka amin’ny endriny vaovao, izay tsy frantsay, ihany fa hatramin’ireo Sinoa sy karana ary teratany hafa. Mbola hisy hametrahan’ny Malagasy ny tongony tokoa, araky ny fanahian’ireo mpanao politika sasany ve, eto amin’ity Madagasikara ity afaka 10 taona ?
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT