Edito

Tsy mahavaha olana


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Fampanantenana no betsaka hatreto fa tsy misy ny asa mivaingana tena nanova zavatra hatramin’izay naha filoha an’i Hery Rajaonarimampianina.


 Manome toky fa hanampy ireo mpamatsy vola saingy mihemotra noho ny fisalasalana. Malaza amin’ny resaka afera maizina mantsy ny tompon’andraiki-panjakana ambony maromaro eto amin’ny firenena. Mibaribary loatra ny fanjakan’ny akamakama eto ary mampiteny ny anarany ireo olona milaza fa akaikin’ny filoham-pirenena. Ity farany koa moa asa na tsy mahara-baovao tsara na tsy sahy manapa-kevitra ka manazava ny zava-mitranga marina na manilika avy hatrany ireo poizina ao an-dapa ao. Miteraka fahasosorana amin’ny olona ny mahita fa mipirilipo isan’andro amin’ny fiara tsara tarehy, tsy miaritra amboteiazy fa manivaka avy hatrany amin’ny ora rehetra ireo manampahefana kanefa ny vahoaka tena mitombo isa ny mitrongy vao homana isan’andro. Tsy mba misy mpitondra tonga saina mihitsy ve ka miezaka mikaroka vahaolana na dia ho an’ny fohy ezaka fotsiny aza aloha hanalefahana ilay fahoriam-bahoaka e ? Kisehoseho ety ivelany no hita isan’andro, karazam-pivoriana sy fihaonana, fa inona ary ilay vahaolana e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT