Edito

Tsy mahatafavoaka baolina


  • Talata 27 Septambra 2016

Hafahafa be ihany ny fiainana eto Madagasikara. Mifamadika ny zava-drehetra ary lasa efa fomba mahazatra ny lainga sy fanaovana kolikoly.

 Ny olona mijoro amin’ny fahamarinana indray no voatondro molotra sy hiharan’ny tsy rariny. Resaka izany natao teto izany rehefa nosoniavina ilay tondrozotra, enin-taona lasa izay. Nambara fa ho avy ny fifidianana ary hiverina amin’ny laoniny amin’izay ny zava-drehetra aorian’io. Krizy vaovao indray no nentin’ilay « Hery vaovao ». Mifanenjika an-toerana eto ny rehetra, mihombo ihany ny aretina. Mampiteny ny moana ny gaboraraka amin’ny asam-panjakana, mibabaka ireo sehatra tsy miankina satria maro amin’izy ireo no atody miady amam-bato. Tsy hita ny atao manoloana ny ampihimamba ataon’ny vahiny izay miha mahazo vahana eo amin’ny sehatra rehetra. Sarotra ho an’ny mpitondra ankehitriny ny fanarenana ny firenena. Tsotra ny antony, nihevitra ho mahavita tena irery ny HVM ka nanao ho anton’asa ny fanilihana ny hafa. Mbola tena mila ny fifanomezan-tanan’ny rehetra ny fanarenana an’i Madagasikara fa tsy azo anaovana mokon-doha amin’ny resaka demokrasian’ny maro an’isa azo avy amina voka-pifidianana mampiahiahy. Izay anie no maha zava-dehibe ny hanatanterahana ilay fampihavanam-pirenena tena izy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT