Nanome toky ny praiminisitra fa hanohana ny ezaka atao amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ny fanjakana. Ambetin-dresaka nandritra ny fivorian’ny COI tatsy amin’ny nosy Kaomoro koa ny hoe fiarovana ny fari-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indiana manoloana ireo jiolahin-tsambo sy ny trafika isan-karazany
Ny alakamisy lasa teo no nalefa hihazo an’i Tolagnaro indray ny andian-tafika hiady amin’ny dahalo. Efa misy ny ezaka atao fa ny tsapa dia toa mandalo ihany izy ireny, vetivety kely aty aoriana dia io fa mirongatra indray ilay asan-jiolahy. Ny eto Madagasikara aloha no resaka, satria raha tsy voafehintsika ny ato anatiny, fomba ahoana moa no hitetatetana hiaro ny ranomasimbe Indiana ? Efa tena reraky ny fitaintainana noho ny tsy fandriampahalemana ny ankamaroan’ny Malagasy, tsy afaka miasa sy mamokatra tsara ny tantsaha, miasa amin-tahotra ny mpanangom-bokatra sy ny mpivarotra. Tsy milamin-tsaina ny mpitatitra, matahotra ny isam-pianakaviana sao misy maka an-keriny i dada na i neny na ny zaza ao an-trano. Dia mbola averina eto ihany fa ny fametrahana ny filaminana sy ny fitoniana no tokony ho asa goavana voalohany imasoan’izao fitondrana izao. Rehefa ireo no tsy misy dia nofinofy ny fampandrosoana mirindra sy maharitra kasaina hatao eto. Tsy mahavita mamokatra sy miasa araka ny tokony ho izy ny vahoaka mikorontan-tsaina sy mitaintain-dava. Filoha faratampon’ny foloalindahy ny filoham-pirenena ka tokony ho sahy manome baiko ny miaramila sy ny zandary hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsy rehefa misy hetsika politika sy fidinana an-dalambe ka manohintohina ny fitondram-panjakana akory vao mihetsika izy ireo. Tsy Iraka na Israel na Siria na Libia i Madagasikara ka hoe misy ady atrehana isan’andro eto. Mipetra-potsiny any an-dakazerina ny ankamaroan’ny vatamiaramila eto amintsika. Nahoana izy ireny no tsy hetsehana dia alefa miaro ny vahoaka any amin’ireo faritra anjakan’ny dahalo sy ny malaso e ? Tsy adala akory ny vahoaka fa tena mahay mankasitraka sy misaotra rehefa tsapany fa miaro azy tokoa ny fanjakana. Matoa ny ankamaroan’ny olona mimenomenona sy masiaka amin’ny fanakianana dia tsy mahavita azy ary tsy maharesy lahatra izany ilay fitondram-panjakana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.