Edito

Tsy mahantra intsony fa efa fadiranovana


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Tsy mahantra intsony ny vahoaka malagasy fa efa fadiranovana matoa efa misolo ny omby amin’ny asany toy izao,

hoy ny fanehoan-kevitry ny olompirenena mahita ireo mpibata entana mitarika posy milanja entana efa ho an-taoniny mahery. Taona 2022 isika izao, hoy izy. Adihevitra be tato anatin’izay 4 taona izay moa ny filaharana nomen’ireo rafitra iraisampirenena toy ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI sy ny banky iraisampirenena na BM momba an’I Madagasikara. Raha naneho ny alahelony nanoloana ny fahenoana hoe Soudan atsimo sisa no ao aoriantsika tamin’ny taon-dasa ny antoko mpanohitra iray dia avy dia kihana tsy kihana no nanotofan’ireo mpitondra sy mpiaradia aminy ilay fampahatsiahivana. Ohatran’ny hoe ilay antoko mpanohitra no nametraka ilay filaharana. Tanisaina foana ny fotodrafitrasa vitan’ny fitondrana saingy mampametra-panontaniana hatrany etsy ankilany hoe mba henoin’ny ao anaty fitondrana ary tongan’ireo tokony hitatitra izany any amin’ilay filoham-pirenena ve ny fanazavan’ireo ivelan’ny fitondrana ny maha laharam-pahamehana na tsia ny fotodrafitrasa iray tafatsangan’ilay fitondrana na asan’ny teo aloha notohizany? Fa maninona no tafakatra 45 isa no matin’ny hanohanana any Ikongo nefa vao tsy ela no hoe tafatsangana ny ozinina famokarana fanampin-tsakafo niarahan’ny fikambanana tarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena niasa tamin’ny fanjakana sy rafitra hafa? Maninona no miitatra ny faritra ianjadian’ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo? Inona izany no asan’ireo hopitaly manara-penitra? Mahavaha olana manoloana ilay zava-misy ve ireo kianja manara-penitra, ny EPP manara-penitra, izay ny sasany misy mitete sy manara-pofona, araka ny hita tamin’ny fanadihadian’ireo fampalalam-baovao vahiny?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT