Fiarovan-tena naroson'ny pastera Ramino Paul ny amin'ny nahavoatendry azy ho mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM ny hoe : tsy misy mihitsy ny lalàna mandrara ny mpikambana amin'ilay komity mpanomana ny fananganana ny FFM ho kandida
Tsy mety kosa, hoy izy raha ireo olona nikirakira ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana no kandida. Mitombina io fanambarany io, saingy tsy any amin'ny resaka fandikan-dalàna no mahatonga ny adihevitra tamin'ny fananganana ity FFM ity, fa ilay hoe : dia tsy mba nisy olona hafa to teny, tsy anaty antoko politika, mahay mampihavana ankoatry ny pastera isany Ramino Paul sy Nestor Razafindramanitra mihitsy ve, eto Analamanga, fa dia tsy maintsy izy mirahalahy ireo foana no hibahan-toerana amin'ity resaka fampihavanana ity ? Ankoatr'izay, efa niaraha-nahita ihany fa tsy dia naharesy lahatra ny asa vitan'izy ireo tao amin'ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finona, ka inona ary ny mbola nanosika ireo tao amin'ny komity hisafidy azy ireo ? Ary tsy tokony hohadinoina fa ny pastera Ramino Paul anie ka efa depiote AVI teto Antananarivo e ! Koa na ahoana na ahoana filaza azy, dia efa mazava fa olon'antoko ity mpitandrina fahiny tao amin'ny Fjkm Amparibe Famonjena ity.
Anisan'ny mbola olana goavana eto Madagasikara ny fitiavam-boninahitra diso tafahoatra amin'ny ankamaroan'ireo mpanao politika sy tompon'andraikitra ambony, tsy misy mihitsy ny fanetren-tena, tsy mba hain'izy ireo izany manda seza izany fa rehefa tolorana dia manaiky avy hatrany. Rehefa tsy mahazo dia manao izay fomba rehetra handrombahana fahefana, ary na dia efa nahazo toerana sy andraikitra nandritra ny fotoana maharitra aza dia tsy mba mahalala onona fa mitady foana. Tsy sanatria fitiavana hanakiana olona be fahatany, fa raha tsy voatendry ho mpikambana tao amin'ny FFM ireo olona efa nifampikasokasoka tamin'ny fanomanana ny fananganana ity rafitra ity, dia tsy nitatra be tahaka izao ny resaka, ary tsy nisy adihevitra be izany teo. Vao mainka moa manasarotra ny raharaha ny maha mpitandrina FJKM ireto pasitera roa ireto, ary ny iray dia mbola am-perinasa mihitsy. Tsy teknika fotsiny ny fampihavanam-pirenena sy fanomezana famotsoran-keloka fa tena politika. Dia miditra amin'ny resaka politika indray izany ny olon'ny fiangonana, kanefa izany no nanakianana ny fitondrana teo aloha. Singa mety hitarika fifandirana izany ary tsy hampitoetra ny fitoniana eto mihitsy, kanefa fampihavanana no kasaina hatao.
Maro be ny sehatra hahafahana mitondra ny anjara biriky raha misy olona mba tena te handray anjara mafy amin'ny fanarenana ity firenena ity, fa tsy voatery hoe tsy maintsy miditra anaty fitondrana, na tsy maintsy any anaty rafitra isan-karazany any. Inona moa no maharatsy ny hoe mba mpandray anjara fotsiny amin'ny fihaonambem-pirenena ohatra ny pastera Ramino Paul, fa tsy voatery ho izy foana no mpikarakara na mpitarika ny fivoriana e ? Ho sarotra io resaka fampihavanana io, raha aty am-piandohana dia efa miseho sahady ny lonilony sy ny ahiahy tsy hihavanana. Mba mijoro koa indraindray fa tsy hoe tsy maintsy mipetraka amin'ny seza foana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.