Edito

Tsy mahalala ny tokony hatao


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Tsy fantatra izay tena ao an-dohan’ny mpitondra fanjakana na ny HVM amin’ny ankapobeny izay sokajiana aloha hatreto fa antoko matanjaka eto Madagasikara.


 Moa ve  hampandroso tokoa ny firenena sy hanatsara ny fiainan’ny Malagasy sa matim-boninahitra sy vola ka manao izay mahafalifaly ny fony fotsiny. Tena mahavalalanina mantsy ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Zavatra efa hita fa mbola tsy zaka kanefa isisihana ihany. Tsy manakiana be fahatany ny fampiantranoan’i Madagasikara fivoriana iraisam-pirenena fa raha amin’izao fahasahiranana efa tena an-tenda kely izao dia hadalana ny fisehosehoana handray vahiny an’arivony handaniana vola be ana miliara. Azo atao tsara mihitsy ny miezaka sy miroso amin’ny tsara kokoa na manao zavatra vaovao be mihitsy fa mila fantarina mazava ny tena filana sy ny fahafahana manao ilay asa aloha. Olona efa hita fa sempotra ve no asaina mihazakazaka 110 metatra misy fefy ? Noho ny tsy fananana fandaharanasam-pampandrosoana matotra hatrany am-boalohany dia io tsy mahay mamantatra ny tena laharampahamehana io ny fitondrana HVM ka manaotao foana isaky ny mihetsika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT