Edito

Tsy mahalala menatra intsony ?


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Sarotsarotra ihany ny lalana ho an’ny FAT amin’ity famahana ny krizy samirery ity ary toa mahasikaritra ny maro fa kabary fotsiny, tsy misy fanatanterahana ilay hoe hisy fifidianana amin’ity taona ity.

 Nisy ny fampiantsoana mpanao politka nataon’ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina rehefa avy niala sasatra sy nizaha fahasalamana tany Frantsa izy, saingy tsy nisy tohiny intsony ny resaka. Niala an-daharana tsikelikely mantsy ireo vondrona politika resy lahatra amin’ny hanatanterahana fifidianana Ben’ny tanàna sy filohan’ny Faritra mialoha, araka ny nofinofin’ny fitondrana tetezamita. Tsy misy afa-tsy ireo antoko sy vondrona politika tsy afa-miala amin’ny FAT sisa no mbola mamerina ny tsianjery fa mety hono ny hanaovana fifidianana faran’izay haingana ary alefa mialoha ny fifidianana kaominaly. Ny sehatra iraisam-pirenena dia efa nilaza mazava fa tsy mbola feno ny fepetra rehetra hanaovana izany fa tsy maintsy miandry ny fanasoniavana ilay sori-dalana nasiam-panitsiana aloha, ary ny zava-mitranga any amin’ny Fokontany isan-karazany manerana ny Nosy dia ahitana taratra fa mbola misy olana goavana ny fandrafetana ny lisi-pifidianana fa tsy arak’ilay hoe vita ara-dalàna amin’ny 31 jolay ny fanoratana anaty lisitra ny anaran’ny mpifidy rehetra manerana ny Nosy.

Mety ho noho izay antony ara-teknika izay koa angamba no tsy mbola hahasahian’ny FAT mamoaka daty mazava sy miantso ny mpifidy. Ankoatr’izay dia mbola maro ny olana ara-tsosialy mitranga etsy sy eroa ka mampihisatra ny dian’ny lamasinina nambara fa haingam-pandeha. Mifandimby ny fitokonana sy fitakiana, ary sarotsarotra ihany ny manavaka ny fitakiana madio amin’ny fitakiana misy ambadika politika. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy azo avela amin’izao na darofana baomba mandatsa-dranomaso sy samborina ireny olona mitaky ny zony sy ny zavatra nampanantenaina azy ireny, ary vao miha handrehitra ny afon’ny fahasahiranana ara-tsosialy ny fisamborana azy ireny. Mampisavorovoro ny fiainam-pirenena avokoa izany rehetra izany ary mahatonga ny olona ho sosotra amin’ny FAT, fomba fanehoana izany fahasosorana izany ny siotsioka nahazo ny praiminisitra Camille Vital nandritra ny lanonam-panokafana ny Afrobasket Men 2011 tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny alarobia lasa teo.

Dia tsaroana eto ihany koa ny siotsioka nahazo ny manampahefana avy ao amin’ny FAT nandritra ny fiandrasana ny nofo mangatsiak’i Raoul mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo. Mbola tao amin’io toerana io ihany. Tsy tokony hanome tsiny be fahatany ny olona ireo izay niantefan’ny fanakianana fa tokony handinin-tena lalina amin’ny zavatra nataony sy ataony ary ny mbola hataony. Nambara fa tsy tian’ny Malagasy fa nampijaly azy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana saingy tsy mbola nisy na dia iray aza manampahefana tao anatin’ny fitondrany nahazo sitsioka fanakianana tahaka ireny nahazo ny jeneraly Camille Vital ireny, izay vao herintaona sy tapany monja izany no praiminisitra. Mitohy ny fahafaham-baraka ho an’ny FAT, ka asa hoe rahoviana vao mba ho tonga saina ry zareo, fa raha ny olona aloha dia efa manomboka tena leon’ny kobaka am-bava sy ny teny feno avona ataon’izao tetezamita izao, sa dia efa tena tsy mahalala menatra intsony ve sanatria ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT