Edito

Tsy mahalala menatra !


  • Zoma 15 Desambra 2017

Mifampihantsy sy mifampidera taim-by ara-bakiteny ankehitriny na ny eo anivon’ny fitondrana, izay milaza sy miantehatra fatratra fa mahery sy tompon’ny fahefana,

izay mampiseho fa mafy sy maozatra, ary sahy mampidera sy mampiseho fa afaka mifampitady satria azy ny fahefana sy ny hery. Ny an-daniny kosa miantehatra fatratra fa nanao ny tsara sy tsy mbola namadika ny Malagasy na nolotoina sy noharatsiana aza. Samy mahery angamba no azo hitsarana ny azy ireo, saingy tsy maintsy hiditra amin’ny mason-tsivana hitsarana ny tsirairay isika hoe nisy ny hita fa nikatsaka ny soa ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana taminy, ary tao ny tsy nikajy afatsy ny ho an’ny tenany sy hampahomby ny bizina ataony no anto-pisiany eo amin’ny fitondrana an’i Madagasikara. Ny fari-piainan’ny Malagasy no hahafahana mitsara azy io, ka tsy hay na mbola sahy hilaza ihany ny mpihatsaravelatsihy ankehitriny hoe : nahavita nampiadana ny Malagasy na revin-gadra sy fampanantenana poakaty aza no natosaka. Malaza ho manan-kambo sy manana ny didohany ny Malagasy ka rehefa hitany fa tsy mety sy namotika azy dia toheriny tsy amim-pihambahambana. Ny ampitso sisa no hitsarana ny ho avy hoe tena nisy ve ny fahatongavan-tsaina ho an’ny maro an’isa, ary mba mahalala menatra ve ireo andevom-pahefana efa hita fa tsipahin’ny Malagasy saingy minia manapatra fahefana, ka tsy te hahalala hoe efa halam-bahoaka ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT