Tsy mahagaga raha izao no vokatra !

Ny làlampanorenana no manery ny Fitondram-panjakana dia


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

ny Praiminisitra sy ny governemanta hanolotra ny Programa ankampoben’ny Fanjakana arahin’ny drafitra hoenti-manatanteraka izany.

Zary fombafomba sisa io rehefa tarafina amin’ny zava-misy iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Inona moa no vina sy programa ary asa tsy notanisain’izao fitondrana izao fa hatao, saingy ny resaka ambony latabatra sy kabary ambony vavahady no betsaka. Ny hoenti-manana ara-bola sy ara-kevitra ary arak’olona hanatanterahana azy toa tsy tena mafonja, ka dia tahaka ny zavatra manidintsidina lava eny. Toa filalaovana anarana tetikasa na fandaharan’asa na antontan-kevitra no betsaka, raha tsy hilaza afatsy ny nandresen-dahatra ny Malagasy tamin’ilay hoe : IEM, nitohy tamin’ny velirano, dia avy eo niova kely ho PEM, dia ankehitriny « Andry 3 ». Mitovy amin’ilay filalaovana anaran’antoko na vondron’antoko, ka rehefa lanilany manja ny iray dia toa miovaova eo hatrany, saingy fonony ihany avokoa ireny, fa ny ao anatiny toa mitovy daholo, ka dia io iaraha-mahita sy iaraha-mizaka io ny vokatry ny filalaovana ny sain’ny Malagasy tamin’ny kisarintsarina fampanantenana zavon-tany. Dia gaga ve isika raha izao no vokatra ? Moa tsy efa notanisaina hatramin’ny hoe : izao mégawatts ny filàna ara-angovo eto Madagasikara ary efa vonona amin’izany izahay fa ny fahatongavana eo no ela, kinanjo vao mainka niha zava-doza noho ny tany aloha ny delestazy nolazaina hofoanana anatin’ny enina ka hatramin’ny valo volana. Ny vahoaka no rahonana sy atao izay hamolosana azy amin’ny kendritohana hampiakarana 5% ny faktiora isaky ny fahatarana, kanefa ny paompy aza rivotra no mampiodina ny « compteur » ny ankamaroany, fa ny rano hosotroina tsy misy. Izany no hanaovana ny Malagas ! Tsy misy tahotra sy henatra izany intsony ny tsy fahombiazana ara-pitantanana eto fa ny zava-dehibe dia mila mifikitra amin’ny fahefana, mikarakara ny manam-basy, manao fitaovana ny fahefam-pitsarana, manjakazaka amin’ny volam-panjakana,… Hatao izay hahatonga ny Malagasy halemy tsy afaka hikofoka ka na inona na inona tsy fahombiazana sy fahotana mahafaty ataon’ny mpitondra, dia vitavita ho azy eny foana ! Mbola miandry ny valalabemandry ho valalabemifoha. Raha mitohy hono anefa ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, ka ny ampitso no hamaritra ny ho avy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT