Edito

Tsy maha taitra intsony


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Efa tsy maha taitra intsony ny fiarahamonina Malagasy amin’ny ankapobeny ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana ao anatin’izao hahamehana ara-pahasalamana izao.

 

 

 Efa lasa fahazarana ho an’ny ankamaroan’ny malagasy ilay fepetra miha mifanipaka andro aman’alina amin’ny zava-misy. Fehiny iray fotsiny, ohatra, ny hoe mitombo isa ireo mararin’ilay valanaretina malaza sy ireo mamoy ny ainy vokatr’izany kanefa dia mizotra tsikelikely any amin’ny fialana tanteraka amin’ny fihibohana isika ankehitriny. Vazivazy lasa ataon’ny olona fihomehezana any anaty tambazotran-tserasera sisa ny hoe efa maherin’ny arivo ny isan’ireo marary, noho izany tokony efa miala tanteraka amin’ny fihibohana manomboka amin’ny alatsinainy. Tsy ilay zava-doza nampitahorana azy hatrany am-piandohana intsony no fahitan’ny aparahatony ilay aretina fa na ny fitondrana arotava aza efa adinodino. Na ireo heverina ho tompon’andraikitra tokony hanara-maso aza moa toy ny efa tsy mivaky loha. Ny adilahy politika no tena hita ho mibahan-toerana fa hatramin’izao dia tsy mbola nahavita nametraka firaisankinam-pirenena akory ny fitondrana kanefa dia lakolosy maro no efa naneno hatrany am-boalohany niantsoantso fa fotoanan’ny fampihavanam-pirenena izao. Ny mifanohitra amin’izany aza ankehitriny no toa miseho. Efa hita fa tsy mampifanaran-tsaina ny mpiara-belona ilay fikitihana vakoka fa mbola atao ihany. Iny izao ny sabotsy teo naiditra am-ponja koa ny olona iray tsy mitovy fijery amin’ny fitondrana. Ireo mpiray fikambanana aminy aza moa milaza fa ny fianakaviany iray manontolo mihitsy no niharana sotasota niaraka aminy. Iza amin’ireo mpandinika sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena hatramin’ireo heverina ho raiamandreny manana ny fahaizany eto amin’ny firenena moa no tsy miaiky fa mizotra any amin’ny fisaraham-bazan’ny malagasy sy korontana hampivarina ny firenena indray izao zava-misy izao. Na fiteny na fihetsika na fanapahan-kevitra asehon’ny ankamaroan’ireo mpitondra anefa andrasana ihany hatramin’izao mba hitondra, fara fahakeliny, fitoniana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT