Tsy maha rototra

Mampahatsiahy ny fehezantenina mpandraharaha iray izay


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

izy ity hoe efa mitady ho zatra miaina anaty tsy fahanjariana isika izany.

Ny fakobe miparitaka eraky ny tanàna tokoa moa izany izao efa mitady ho tsy maha rototra intsony. Mitabataba kely anaty tambazotran-tserasera na mivazivazy sady manome fantsy kely any dia efa “samy ça va!”, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Rehefa tsy misy fampandrenesan’ny JIRAMA ny mikasika ny herinaratra sy rano na koa hoe jiro sy rano moa ny fiantsontsika dia raikitra ny menomenona sy fandorana kodiarana amin’ny toerana sasantsasany satria amin’ireny fotoana ireny dia iaraha-mahita fa tena vao mainka mampikaikaika tokoa ilay toe-draharaha. Fahatapahan-drano sy herinaratra lavareny io. Amin’ny fotoana hisian’ny fampandrenesana indray aza izany no toa mba azo iafiana ary araka ny efa nambara teo moa, hita izany tamin’ny faran’ny herinandro, tsy maha rototra!? Io lera sy toerana tonotononin’ny JIRAMA io moa efa im-piry tsy nifanaraka tamin’izay voalaza fa efa lasa tsy maha rototra intsony ilay izy e! Efa mitady ho fahazarana ilay fiainana tsy mandeha amin’izay laoniny. Na ny governemanta natsangana ny harivan’ny alahady teo koa aza, eny fa na dia mpanara-baovao izao, no efa nisy sahy nilaza ampahibemaso fa tsy rototra tamin’izany intsony ary heverina ho tsy diso fanantenana rahateo koa angamba izy ireo satria dia ireny niaraha-nahita ireny, saika ny teo ihany no teo! Tsy misy maha rototra ny ankamaroan’ny olompirenena intsony ny raharaham-pirenena nanomboka tamin’ny fifidianana ka hatramin’izao hoe hananganana governemanta izao. Tokan-jotra tanteraka tsy misy varavarana tokoa angamba ny filaza azy na hoe midona amin’ny rindrina, hoy ilay filohana antoko politika iray izay. Na ilay filoham-pirenena lany aza hita ho niambakavaka ihany tery amin’ny CENI sy ambony polipitran’ny Kianja Barea tery nandritr’ireo fotoana heverina ho tokony naha ravoravo amin’ny maha fandresena azy saingy tanteraka hatramin’izao angamba moa ny akon’ilay teny “vazaha” hoe “A vaincre sans péril, on triomphe sans gloire!” na hoe “Fandresena tsy nisasarana tsy matsiro”, hoy ny tononkiran’ny mpanakanto mpiangaly mozika Rap malagasy iray izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT