Edito

Tsy lany balarora


  • Talata 29 Desambra 2020

Fony mbola tsy teo amin’ny fitondrana dia nolazaina fa efa niomana efatra taona,

 

ary ny fahatongavana eo no ela. Tany amin’ny fampielezan-kevitra sy teo am-pahazoana fitondrana nilaza fa hanao ny tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona. Nolazaina fa hatao izao rehetra izao : trano 50 000, tramway efa an-dàlana, tana-masoandro efa vonona ny mpamatsy vola, fanamboarana fiara Gasycar hovitaina amin’ity taona ity, fanombohana ny « Flyover » hanomboka 2020,… Misy tokoa ny mandeha sy nandaniana vola be, tsy mila fitaloahana amin’ny mpamatsy vola toy ny ady amin’ny kere. Isan’ireny ny kianja manara-penitra, ny fanamboarana ny kianja Barea, ny fananganana ny Kianja Masoandro izay toa lasa vatolampin’ny fifandirana sy ny tsy fitovian-kevitra. Milaza fa tena niasa tao anatin’ny 2020 na dia teo aza ny valanaretina, ary hotokanana amin’io taona ho avy io ny fampandrosoana vita. Fa inona tokoa no atao hoe: fandrosoana ho an’ity Fanjakana ity? Ny fananganana fotodrafitrasa mijoalajoala sy manintona maso ve? Asa mety hotondroina ho mpanakorontana sy mpandainga angamba no hifaran’ny Banky Iraisam-pirenena, izay namoaka fa tamin’ity taona ity no ambony indrindra ny taham-pahantran’ny Malagasy tao anatin’ny 8 taona, izay niakatra ho 77,4% raha 73% teo aloha. Nitombo 1,4 tapitrisa ireo fadiranovana. 64% tamin’ny mpiasa no very asa nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2020,… Tsy miova ilay fomba firesaka, fa dia mirarakopana indray ny fampanantenana, tena mbola tsy niainana 60 taona, fa fihemorana tsy hita 60 taona ihany koa no hita. Nolazaina fa amin’io taona 2021 io no hanomboka ny fanovana tanteraka an’i Madagasikara, ka isan’ny ambara amin’izany ny hanaovana làlam-be migodana, tanàna, goavana, nolazaina fa hisy ny fampiasam-bola goavana tsy nisy 50 taona,… Ireo teo aloha nolazaina aza anefa tsy vita araka ny fotoana nomena. Rehefa tonga ny 2023 dia holazaina indray fa hatomboka 2024 ny tsy vitan’ny teo aloha nandritra 100 taona ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT