Edito

Tsy Krizy hoe ?


  • Talata 10 Martsa 2020

Mandalo ambaratonga efatra raha ny fanazavan’ny siantifika azy, ny fipoahana ady ao anaty fiarahamonina na firenena iray. Miandoha amina disadisa na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe « turbulance » izany.

 

 

Rehefa tsy voavaha na tsy voatantana io dia manjary aditeny na “tension”. Hatreo dia ny fifamaliana am-bava sy teny mahery no mbola mifamezivezy vokatry ny fifampitondrana tsy araka ny tokony ho izy ao anatin’ilay fiarahamonina na firenena iray. Raha tsy miravona eo dia mipoaka amin’izay ny atao hoe adilahy na krizy na tsy fahampiana amin’ny endriny maro vokatr’ilay disadisa sy aditeny tsy nety nampifanaraka teo. Miainga any amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika izany ary ny vahoaka no mizaka ny voka-dratsiny hatrany, nanomboka tany amin’ny taona 1972 no ho nankaty. Nahantra isika ary niha nahantra hatrany. Porofon’ny fisiana krizy, raha fehezina, ny fahantrana kanefa dia misy sahy mbola milaza ihany fa tsy anaty krizy i Madagasikara. Raha ny tarehimarika nomen’ny banky iraisam-pirenena vao haingana dia fahefatra amin’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ity nosy ity ankehitriny, raha faha-8 tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nahantra ary niha nahantra hatrany. Krizy ary niha krizy. Tsy mahagaga raha maro amin’ireo mpandinika sy mpamakafaka raharaham-pirenena no milaza fa tsy afaka ny mampandroso ny firenena isika satria betsaka ny fanarenana mila atao. Tsy fahatarana 60 taona fotsiny fa efa kely sisa dia taonjato roa mihitsy no mandindona. Ny dikan’izany dia tsy nisy azo natao afa-tsy ny nitantana krizy sy namaha krizy teto tao anatin’ny 10 taona farany. Ny ahiana, ary hirariana mba tsy ho tonga mihitsy, dia ilay ambaratonga faha-4 amin’ny fipoahana ady izay tsy inona fa ny atao hoe ady atsanga na “conflit déclaré”. Efa nisy ihany ny adina zana-poko vitsivitsy izay novahan’ireo tompon’andraikitra nampisahanina izany izay heno tao anatin’ny 2 taona farany ary soa fa vitan’ny filankevitra tompon’andraikitra sy ireo mpiara-miasa aminy aloha ny nandravona azy. Mirary soa ny firenena hatrany !

J. Mirija   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT