Edito

Tsy kapoaka ahontsana akory !


  • Talata 28 Aogositra 2018

Miisa 36 ireo kandida ho filoham-pirenena. Efa mitovy amin’ny mahazo ny lisi-pifidianana nanomboka tamin’ny 15 mey lasa teo iny. Ny tian-kambara dia hoe : tsy azo ovaina intsony.

 

Heverina fa tsy tokony ho adihevitra mipetraka miara-dalana amin’izay intsony koa ny hoe : fa maninona no bileta tokana no hanaovana fifidianana ? Efa tsy fotoana tokony hiresahana izany intsony angamba izao. Ny fanaovana antso avo kosa ny amin’ny hoe : ahemory ny fifidianana sisa no hany heverina fa mbola azo iadian-kevitra. Ny tiana hiaviana dia saika izay rehetra izay tato ho ato no namehy ny adihevitra roa lehibe nifandona teto amin’ny firenena dia ny resaka fanorenana ifotony sy ny resaka fifidianana. Ity resaka voalaza faharoa teo ity izao no hita ho miha mizotra any amin’ny fahatontosany. Dia holazaina ve fa nandresy ireo nivoy azy na naka azy ? Azo antoka fa tsy hitondra na inona na inona ho an’ny firenena angamba ny firehana amin’izatsy sy izaroa na koa ny hevitry ranona sy ranona. Toy izany koa ity resaka filalaovan’ireo kandida ny resaka tarehimarika hahafantarana azy amin’ny fifidianana ity. Tsy kodiakely na kapoaka ahontsana akory ny raharaham-pirenena ka ity ilay nomerao mahazo. Ireo rehetra mivoy ny laharany ankehitriny rehetra ireo dia saika mba efa nanomboka nivoy avokoa faramparany teo fa tsy tokony ho tsangan’olona intsony no jerena fa foto-kevitra sy programa. Anjarantsika mpifidy ny mihaino izay lazainy sy mitazona azy amin’ny vavany mialoha ny hijerena ny laharany sy hanomezana ny vatontsika ho azy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT