Edito

Tsy isa fa hevitra


  • Alarobia 25 Mey 2011

Dia samy manana ny fomba fijeriny marina ny tsirairay ary sarotsarotra ihany ny mikaroka ilay hoe marimaritra iraisana.

 Tena nanaitra ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny atitany farany teo fa mahatratra 317, hono, ny antoko politika eto Madagasikara ary tao anatin’ny telo taona no niforonan’ny 20%-n’izy ireo, izany hoe tao anatin’ny krizy. Raha itarina kely ny resaka dia misy foto-kevitra 317 izany eto Madagasikara raha ny resaka politika sy fitantanana ny fiarahamonina sy ny firenena no jerena. Koa mipetraka ihany eto ny fanontaniana hoe : dia tsy afaka niditra tany amin’ireo antoko na fikambanana na vondrona politika efa nisy mialoha ny 2009 mihitsy ve ireo olona nanangana antoko ireo fa tena hoe tsy maintsy antoko vaovao no atsangana izay vao tafita any amin’ny mpiray tanindrazana ny hevitra ? Tahaka ny any amin’ny firenena mandroso sy ireo manomboka efa mivoatra tokoa mantsy dia tsy mihoatra ny 5 matetika na manatombo kely fotsiny ny firehana politika, dia eo aloha izany ny hery ankavanana, ny hery ankavia, ny hery afovoany na karazana elanelam-panahy, ary ny antoko maitso izay manindraindra ny fiarovana ny tontolo iainana. Tena maro be tokoa ny hevitra hafa mivoaka any amin’ireo firenena ireo saingy mba hampilamina io fiainana ara-politika io dia napetraka ireo antsoina hoe firehana lehibe ireo ka miditra any amin’izay metimety aminy na mifanakaiky amin’ny eritreriny ireo mpanao politika na olom-pirenena tsotra te handray anjara amin’ny fiainan’antoko politika.

Tandra vadin-koditra amin’ny mpanao politika ny ady seza sy ny hetaheta te hahazo fitondrana saingy milamina kokoa ny fifaninanana rehefa vitsivitsy ny mpifanandrina, ary mora alamina ny olana raha toa ka misy izany. Fa ho an’ny eto Madagasikara kosa dia ady saritaka foana io fizarana seza io rehefa tojo olana ny firenena, satria raha tokony hampivondrona ny heriny ny mpanao politika dia ny mizarazara samy manangana ny fikambanany na ny antokony indray no mahamaika azy ireo, amin’izay mantsy mahazo seza mitokana fa tsy mikambankambana amin’ny hafa.

Tsy mahagaga,  raha sarotra hita ny marimaritra iraisana ao anatin’izao krizy izao, satria efa tsy mora ny fifandresen-dahatra hiaraha-mitantana teo amin’ny Ankolafy 4, kanefa dia mbola nitombo indray ny isan’ny ankolafy ka lasa 11 ilay izy amin’izao fotoana. Asa raha mba fantatr’ireo mpanao politika fa tsy ny isa akory no inona fa ny ventin-kevitra aroso. Velon’ahiahy manoloana izany ireo efa leon’ny fahasahiranana ny amin’ny hoe hahay hifandefitra marina ary ve ireo mpanao politika ka hikatsaka ny tombontsoa ambonin’ny firenena sa tsy hijery afa tsy ny tombontsoan’ny antokon’izy ireo. Moa ve tsy mbola tarazon’ny politikan’ny fampisaraham-bazana nataon’ny mpanjanatany teto ity fananganana antoko sy fikambanana politika etsy sy eroa ity ?

Ary ny tena manahiran-tsaina dia ny hoe : mety efa mahalala sy mahafantatra tsara izany ihany ireo mpanao politika fa mbola manao ny ataony ihany satria mahazo famatsiam-bola avy any ambadimbadika any. Efa tena nanimba zavatra maro be teto amin’ny firenena ny krizy koa ho hita eo ny fahatsiarovan-tenan’ireo nahatonga izany krizy izany. Matoa mantsy mahay mamboly olana dia efa mahay mikaroka vahaolana koa. Raha atao hoe 300 ny isan’ny olona nanao rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato, dia ny ampahafirin’ireo no tena mahalala ny andraikiny sy ny adidiny manoloana ny firenena ary vonona marina ny hikaroka ny vahaoalana rehetra hamahana ny krizy fa tsy hivavaka fotsiny amin’izay voasoratra ao amin’ny sori-dalana, sanatria nosoniavina an-jambany !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT