Edito

Tsy hovidiam-bola ny fandresena e !


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Azo hakana lesona tsara iny lalaon’ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny baolina kitra omaly iny.

 

 

Tojo faharesena saingy tsy hatao mahakivy fa hakana lesona hanatsarana ny ho avy. Nialoha ny lalao dia nahazo sitraka ara-bola avy amin’ireo filoha teo aloha miisa telo izy ireo. Anisan’ny olana ho azy ireo hatramin’izay ny ara-bola, saingy mba efa mivaha izany io amin’ny ankapobeny, kanefa tsy nanakana azy ireo tsy ho resy izany. Dia andeha ary hatodika kely any amin’ny fifidianana izay resa-bola izay e ! Ekena fa mety misy kandida tena manatosaka vola be, mahavita mividy vato na mamilivily ny safidim-bahoaka aza, saingy tsy rehefa manao izany dia handresy e ! Manomboka tonga saina sy mailo ny Malagasy izay hararaotina amin’ny tsy fananany, ka tadiavina hovidiana toy ny entam-barotra ny safidiny. Fanesoana ny tsy fananany izany, ary tsy ampahafirin’ny harem-pirenena naondran’ny olom-bitsy ny vola zaraina ka raisiny. Efa manomboka mahay mihaino ny feon’ny fieritreretany ny olona, ka tsy ho jamban’ny fampanofinofisana azy kanefa efa hita ny nafitsoky ny mpanao izany e ! Olona efa fantany ve fa hampitombo ny ambaindain’ny harena norobaina teto no mbola haveriny eo ? Ireny efa niaraha-naheno ireny ny laza ratsy sy fangoronan-karena tamin’ny fomba maloto, tsy teto ihany fa hatrany ampita any ny akony. Re izao fa dia toa misy fampiantsoana ireo matretrea roalahy indray, hono ataon’ny fitsarana any andafy any amin’ny faramparan’ity volana ity noho ny harena azo tamin’ny fomba tsy mazava, ka dia ho hita eo ny tohiny. Ka tsy mazava ve  izany fa izay no nivoizana sy saika hanao amboletra amin’ilay hoe fihodinana voalohany dia vita amin’izay mba mahazo fahefana sy voaaro mandritra ny dimy taona aloha ? Efa manomboka tonga saina ny vahoaka fa tsy hanaiky hobadoina lava ary tsy maintsy mijinja izay nafafiny ny tsirairay e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT