hitranga miandalana eto amin’ity firenena
ity na tiantsika na tsia! Misy moa ireo milaza fa mbola sarintsariny ihany no hita hatreto mikasika izany. Misy mihitsy aza miteny fa ny teo ihany no teo. Fara faha keliny nefa aloha dia efa niova ho miaramila no lohany eo amin’ny fitantanana ny firenena. Mandeha io ny fikaonandoha samihafa izay nanomboka tamin’ny an’ny Kristianina atao etsy amin’ny ISTS Mandrimena. Nampanantena ny filohan’ny fanavaozana fa hitohy amin’izay ho karakarain’ny FFKM izany na hisy na tsia ny famatsiambola iraisampirenena. Amin’ny ankapobeny, samy manome sosokevitra mikasika ny lalàmpanorenana tokony hisafidianana izorana ireo herivelona samihafa na havia io na havanana. Raha fintinina dia saika mampisafidy sahady hoe federalisma ve sa rafitra itsinjaràm-pahefàna? Hatreo izany aloha dia efa naman’ny voatery sahady ireo mitàna ny fanalahidin’i Madagasikara ankehitriny hiandany amin’ny iray amin’izany karazan-kevitra izany. Na hisy aza ny olana eo amin’ny resaka fotodrafitr’olona toy ny hoe efa tao anatin’ny fitondràna teo aloha ihany ny sasany amin’ireo mbola omena seza ireo na hoe io praiminisitra io mihitsy no tena akaiky ilay mpandraharaha nibahana ny tsena rehetra teto amin’ity firenena ity sy ny tahaka izany dia heverina fa sarotra ho an’ireo tandapa ankehitriny ny mbola hamely am-pitaka indray ny tolom-bahoaka izay nisy nanasokajy mihitsy hoe «maimbo rà» farany teo. Samy efa nampitandrina moa na ireo andiana tanora toy ny Gen Z, ireo mpampaneno lakolosy, ireo mahatsiaro rehetra fa narary tamin’izy ireo ireny tolona ho an’ny fanovàna fa tsy fanavaozana fotsiny farany teo ireny fa raha mbola misy ny endrika tsy rariny sy fanabadoana vahoaka toy izay hita tany aloha dia mbola ho avy hatrany amin’ny angady sy ny harona izy ireo ka dia asa tokoa aloha!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.