Edito

Tsy ho ela velona


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Vitsy tsy araka ny neritreretin’ny HAT ireo olona sahy ny hiditra ao amin’ilay governemantan’ny fisokafana imatimatesan’ny praiminisitra Camille Vital hatsangana.

Na dia maro aza no manam-panirinana ny handray andraikitra amin’ny fanavotana ny firenena amin’izao krizy tsy mety vita izao, dia tsy misy hamono tena kosa ka voatendry minisitra anio dia hosaziana rahampitso. Ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy efatra sy ny loza mitatao amin’ny sazy hilatsaka avy amin’ny vondrona Afrikanina sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro, no tena antony tsy dia maharisika ny olona hiditra amin’izany governemantan’i Camille Vital izany. Efa niezaka ny niantso sy nihaona tamin’ireo karazana mpanao politika sy antoko politika ary fikambanana ihany anefa ny praiminisitra sy ireo mpiara-miasa aminy, saingy tsy nahazo valiny mahafa-po avy amin’ireny olona ireny, tamin’ny ankapobeny.

Etsy an-kilan’izany, araka ny resaka mandeha dia manano sarotra ny asan’ny praiminisitra ny fibodoana seza ataon’ny minisitra am-perinasa sasany, izay mitady ny fomba rehetra ary manao izao fihetsiketsehana azo atao rehetra izao, mba hahafahany mijanona eo anivon’ny governemanta. Ao ny tsy mitsahatra ny mitsidika faritra, eo koa ny manangana fikambanana etsy sy eroa, izay samy milaza fa nametraka ny tetezamita sy Andry Rajoelina ary manohana izany hatramin’ny farany. Ho saro-piterahana tokoa, araka izany ity governemantan’ny firaisam-pirenen’ny HAT ity, ary mieritreritra ny rehetra fa na tafajoro aza izy ity dia tsy ho ela velona … !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT