Misafotofoto tanteraka ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao ka asa na hanao ahoana ny hiafarany ? Ny valanaretina coronavirus mitombo isan’andro ny voa, misy ny mamoy ny ainy,…
Voafehintsika, hono, io raha ny voalazan’ny Filoham-pirenena tamin’ny valan-dresaka nataony. Tena izay ve no zava-miseho eto Madagasikara ? Afaka ny hahatoky izany ve ny Malagasy amin’izao fotoana izao ? Mitaintain-dava, sahiran-tsaina na dia mahazo toky isak’izay mandeha aza. Miovaova andro aman’alina ny zavatra ambara ka mbetika, toy ny resaka fanafody tsindrona. Hanoratra tantara vaovao amin’izao 60 taona manaraka izao, iray ny Malagasy, iray ny Nosy, ka tokony hiray feo amin’ny fiandrianam-pirenena. Matoa resy sy tafiditra teto ny mpanjaka dia nisy firaisana tsikombakomba tao, ka tsy tokony tsy hiseho intsony izany, hoy ny Filoham-pirenena. Tena vitany ve ny mampiombona ny Malagasy hahafahana miara-mametraka ilay hambopom-pirenena ? Ny tsapa mantsy indraindray dia toa sokajiana ho tsy tia na mpamadika tanindrazana ny fijoroana amina foto-kevitra tsy mifanaraka amin’ny sain’ny mpitondra. Miharihary io amin’ny resaka fananganana ny Kianja Masoandro, izay misy Malagasy mankasitraka ary misy ny mandà tanteraka an’io na tiana na tsy tiana. Toa famantsihana sy fitanisana ireo ambara fa tsy nety natao teo aloha no ventesina, ary fandalanjalanjana ny hoe iza no tena nanao ny tsy nety. Angaha isika tsy mahay maka lesona fa ny fomba firesaka dia toa te hilaza hoe Rakoto na Rabe aza nanao zavatra tahaka izao ka nahoana izahay no tsy mba hanao izay metimety sy ny revirevinay? Toa tsy hisy mihitsy angamba izany fanetren-tena izany ka mba hiaiky sy hanitsy ny dia hoe tena tsy mety tokoa ity, tena marina tokoa ny hevitry ny hafa, tena misy tokoa ny lesoka,… Raha tena mpitondra mahitsy sy tsy mba diso ary tena mahay no mitondra an’i Madagasikara tsy ho tahaka izao isika tsy hisafotofoto tahaka izao ny zava-drehetra, saingy ny lehibe tokoa angamba tsy mba diso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.