Edito

Tsy ho any ivelany intsony ve izany ?


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Adihevitra nanomboka omaly ny fisian’ilay fampitam-baovaon’ny Masoivoho Frantsay

 

 

nilaza fa tsy misokatra ho an'ireo tsy vita vaksiny ankoatr'ireo efa vaksiny neken'ny Vondrona Eoropeanina ireo olona tonga hiditra ny sisin-tany Frantsay. Nosinganiny manokana ny hoe tsy ekeny ny vaksiny Covishield. Io anefa ny vaksiny nataon’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika Giovanni Di Girolamo ny 28 mey lasa teo. Diplaomaty maro, izay nahitana ny avy any Eoropa no nitsena ny vaksiny ny 10 mey, ary isan’ny nipetraka ho fitaratra ny tompon’andraikitra sasany tamin’izy ireny, toa io masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina io. Tsy ho tafiditra any Eoropa ve izany izy satria Covishield no nataony. Sa zavatra hafa ny azy ireo? Ahoana raha handeha hitsidika fianankaviana? Ahoana raha hitsidika ny ankohonany ohatra ? Ahoana ny momba ireo mpianatra mikarakaraka taratasy handehanana hianatra any ivelany tsy hahazo Visa ve izany? Fifandrifian-javatra ihany ve hoe: taorian’ny fivoahan’ny Filoha Rajoelina nankany Eoropa no nivoaka io resaka io. Misy zavatra tsy dia mazava sy mifamahofaho. Tsara kosa ny manamarika fa nanomboka ny 09 jona teo, misokatra arakaraka ny tondro ara-pahasalamana ny fifandraisan’I Frantsa amin’ny firenen-kafa, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana vaksiny. Miankina amin’ny fivoaran’ny valanaretina ny hanasokajian’ny Frantsay azy, ka misy ny firenena ao anatin’ny sokajy maitso : tsy misy fifamoivoizan’ny valanaretina hita, ary tsy misy ny « variant » atahorana mafy tafiditra sy fantatra ny fisiany. Tafiditra ao anatin’io ireo fieranana Eoropeanina, Aostralia, Korea Atsimo, Israel, Japon, Liban, Nouvelle-Zélande, ary Singapour. Ny firenena volomboasary, mbola ahitana fivezivezen’ny valanaretina saingy voafehy, tsy misy fifangaroan’ny « variants » mampanahy, ka tombanana ho ao anatin’io isika ; ny sokajy mena : ahitana ny firenena tena mbola ny « variant », toa an’i Afrika Atsimo, Argentine, Bahreïn, Bangladesh, Bolivie, Brésil, Chili, Colombie, Costa-Rica, Inde, Népal, Pakistan, Sri Lanka, Suriname, Turquie ary Uruguay. Dia asa re izy ity !

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT