Edito

Tsy ho afa-bela


  • Zoma 25 Febroary 2022

Loza izany nandalo teto amin’ny firenena tato anatin’ny 3 taona mahery izany ary isany heverina ireny rehetra ireny fa loharanon’ny tsy fahatomombanana rehetra misy eto amin’ity firenentsika ity hatramin’izao.

 Vato nianjera, rano niakatra, faty niampantrapatra sy traboina maro vokatr’ireo rivodoza nifanesy, ny valanaretina niteraka krizy iraisampirenena sy ny maro hafa rehetra. Samy namely teto daholo izany. Etsy ankilany anefa dia goavana ny tetikasa kasain’izao fitondrana izao atao saingy hatramin’izao aloha dia mbola tsy naharesy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Vao tsy ela akory izay isika mianakavy no naheno fa izao aza kay vao tadiavina izany mpamatsy izany ary tsy izao fitondrana izao akory no nampaneno ny lakolosy momba azy io fa rafitra iraisam-pirenena. Neverina tao anatin’izay 3 taona latsaka kely izay koa anefa fa tena “be sanjila” araka ny fitenin’ny tanora na koa hoe “bonne chance” araka ny teny frantsay ity filoham-pirenentsika ity satria tonga tampoka tamin’ny ora tsy nampoizina ho an’ny fitondrany ny famatsiam-bola maha safononoka na dia vokatry ny firongatrana valanaretina aza. Neverina tamin’ireny fa raha mahay mitantam-bola tsara izao fitondrana izao dia ho vita ho azy ihany na, fara faha keliny amin’ny ampahany betsaka, ireo velirano, IEM, PEM, Plan Marshall, PGE sy izay heverin’izao fitondrana izao fa nofy tsara ho tanterahana hampamirapiratra an’ity Gasikara ity rehetra. Inona akory anefa no teo fa dia sady tsy voatsinjo ny sosialy fa midangana isan’andro ny vidim-piainana, mitotongana ny toekarena, tsy voavaha ny tsy fandriampahalemana, tapaka sy rota ny lalan-kely sy lala-migodana ary lalam-pirenena. Tsy misy afa-tsy olana no tena mibahana ny raharaham-pirenena ary mbola voasokajy ho isan’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ilay firenena nandrevirevy ho lasa mpamatsy vola ny kaomorianina. Na dia mbola azo lazaina ho ivona adihevitra eto amin’izao tontolo izao fotsiny koa indray aza izao io ny ady misy eo amin’ny firenena Okrainianina sy Rosianina dia efa naman’ny mivonona tsy ho afa-bela ny amin’ny mety ho voka-dratsin’izany indray izany ilay Gasikara kely tsy mety tafarina ity raha izao no mitohy satria dia efa nisondrotra sahady, ohatra, omaly ny vidin’ny solitany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT