Tsy hivoana ny lojika

Araka ny efa nambara.


  • Zoma 15 Desambra 2023

Tsy nivoatra fa niodina hatrany ny tantaran’i Madagasikara.

Miverina indray io ny resaka fanorenana fanjakana anaty fanjakana na ilay antsoin’ny frantsay hoe “insurrectionnelle”, izany hoe naman’ny fikomiana manoloanana fitondrana mbola mijoro toy izay niseho ny taona 2009 ihany raha nanendry ny mpitari-tolona tamin’izany, Monja Roindefo, ho praiminisitra ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fotoan’andro, Andry Rajoelina. Nanohitra ny fitsanganan’izany tamin’ny alalan’ny fanendrena ny azy avy any am-pitan-dranomasina dia ny praiminisitra Manandafy Rakotonirina koa nefa tetsy ankilany ny filoham-pirenena efa tsy mari-toerana intsony tamin’izany, Ravalomanana Marc. Vokany, korontana! Io izany izao fa milaza hanao ny toy izany ry zareo raiamandreny ara-drazana. 2 andro mialohan’ny fianianan’ilay nolaniana ho filoham-pirenena vaovao. Sarotra ny hilaza fa tsy hivoana ny lojika indray ny tranga hiseho rehetra ato ho ato manoloana izao savorovoro politika rehetra miandrona eto amin’ny firenena izao. Heverina anefa ao anatin’izany rehetra izany fa tsy any amin’ny hoe iza no manana ny rariny na manana ny marina intsony no fanontaniana tokony hipetraka fa tena hoe iza amin’ireo rehetra ireo izany sisa no tena mba mijery izay hiafaran’ity firenena ity? Ny hery ankavanana sa ny hery afovoany sa ny hery ankavia? Raha manao toy io ry zareo milaza azy ho raiamandreny ara-drazana anio, inona no ho ataon’ny heverina ho tompom-pahefana eto amin’ity firenena ity? Hijanona eo ihany koa ve ity resaka fanorenana fanjakana anaty fanjakana ity sa sanatrian’izany iza koa na iza avy no hanorina manaraka? Ontsaontsa amin’ilay firenena sisa azo ataon’ny olompirenena!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT