Edito

Tsy hitan’ny karatra


  • Talata 24 Mey 2022

Raikitra indray aloha izany ny fandaminana vaovao ny fifamoivoizana ho an’ny eto Antananarivo. Io nampiharina io ny andrana eo Ambohijatovo sy Analakely, izay misy ny lafitsarany, ary eo ihany koa ny lafiratsiny.

Nisy ny nahazo tombony, fa tao ihany koa ny nizaka ny tsy eran’ny ainy. Hita ho somary nihena tokoa ny fitohanana teny amin’ny faritra nandraisana ny fepetra andrana, tahaka ny avy any Ambanidia miazo an’Ambohijtovo, Analakely mivoaka Anosy,… Fa nampiteny ny moana kosa izay niditra ny tionelina Ambohidahy niazo an’Analakely. Hatrany amin’ny adin’ny telo ny avy any Tanjombato sy Ankadimbahoaka iny niditra an’Analakely. Ny fandaminana sy vahaolana fohy ezaka avy amin’ny kaominina ireny fa nankaiza ireo tetikasa goavana izay ny Fanjakana foibe mihitsy no miantsoroka azy? Toa efa lasa tsy hitan’ny karatra intsony indray mantsy ireo fotodrafitrasa lehibe nambara hatry ny ela fa hatao eto Antananarivo ? Efa dilan’ny fotoana sa miandry propagandy indray ? Efa tao anatin’ny telo taona no niresahana an’izany tetezana mitsingevana hatao eny Anosizato sy Ampasika izany fa mby aiza izy izao? Efa tany amin’ny aogositra 2019 aza izy izay no nanaovana antso tolo-barotra amin’ny tsenan’asam-panjakana. Aiza ho aiza ilay “train urbain” na “tramway” izay efa tamin’ny tetezamita no nolazaina fa efa any anaty sambo? Ary ilay teleferika toa nangingina tsy hitan’ny karatra intsony indray? Marina fa misy tokoa ny hoe: tsy tokony ho laharam-pahamehana kokoa mitaha ny zavatra hafa, fa misy ny tena ilaina tahaka ny Fly Over, autoroute,… Tsy misy tokony ho sakana intsony satria tany amin’ny propagandy teto Antananarivo dia novoizina mafy ny hoe: tsara kokoa raha olona iray donak’afo politika amin’ny filoha no fidiana. Fa inona no andrasana sa tena porofoana fa fampanantenana poakaty tokoa ireny ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT