Edito

Tsy hita lava !


  • Alakamisy 03 Novambra 2016

Iray amin’ireo firenena nanasonia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty i Madagasikara saingy izao iaraha-mahita izao fa zary lasa fomba amam-panao amina faritra maro ny fitsaram-bahoaka sy famonoan’olona ataon’olon-tsotra.


 Toa tsy hita na mitazam-potsiny anefa ny mpitandro ny filaminana sy ny solontenam-panjakana. Misy manafika ny tanàna, tsy hita ny mpitandro ny filaminana. Misy mifamono sy manao fitsaram-bahoaka, tsy tazana izy ireo. Inona izany no andraikitra tena sahanininy ? Any amin’ny resaka politika anefa dia hita foana izy ireo ka mampimenomenona vahoaka. Raha fehezina, tsy hita amin’ny fotoana ilana azy ny mpitandro ny filaminana ka maharomotra ny olona ary lasa manao izay saim-pantany. Tsy manome rariny ny fandikana lalàna toy ny fanaovana fitsaram-bahoaka fa tokony hahatsapa tena ho tompon’andraikitra amin’ireny zavatra tsy ara-dalàna ireny ny manampahefana. Raha tena ampiharina ny tany tan-dalàna dia ny tompon’andraikitra tsy nahefa ny adidiny ka nahatonga ny zavatra tsy ara-dalàna tokony hosakanana kanefa nipoitra no mila saziana voalohany.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT